Politique
Hazakazaka ho eny Tsimbazaza Hanolotra kandidà tokana ny ARMADA
25/02/2019
Rahampitso talata 26 febroary no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fandraisana ireo antontan-taratasy sy anto-bola ho an’ireo hirotsaka solombavambahoaka eny anivon’ny CED manerana ny nosy.
Efa mipetrapetraka ny paikady ho an’ireo antoko na fikambanana politika. Raha ny fantatra, miara-midinika ny ARMADA mba hanolorana kandidà tokana ho an’ny fifidianana depiote hotontosaina ny 27 mey ho avy izao. Ny ARMADA moa dia ahitana ny TGV, Mapar, MMM, Hiaraka Isika, Maitso, Avana. Ao anatin’ny fandaminana amin’ny fanolorana kandidà izy ireo, mijery izay tokony hatolotra hahafahana mandresy ireo hifanandrina aminy. Tanjona ny hahazo maro an’isa eo amin’ny antenimieram-pirenena. Raha ny loharanom-baovao, ny 80%-n’ireo anarana handrafitra ny lisitr’ireo kandidà ho solombavambahoaka avy amin’ny vondrona politika miaraka amin’ny filoham-pirenena dia endrika vaovao avokoa. Mety ho betsaka no ho tapaka lalandra, indrindra ireo depiote tsy mena-nivadika nandritra ny fotoam-piasana 2014-2019. Maro ihany ireo parlemantera teo aloha manao pi-maso tamin’ny filoham-pirenena, indrindra nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Andrasana ny lisitr’ireo kandidà ho depiote avy amin’ny vondrona politika miaraka amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Marigny A.