Dans la mme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida depioten’ny TIM Tana V Ralambozafimbololona Fetra no lanin’ny “Base”

25/02/2019

Hanomboka rahampitso talata 26 febroary hatramin’ny 12 martsa ny fandrotsahana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida solombavambahoaka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

 

 

 

 Ho an’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) izay voasokajy ho antoko matanjaka, dia maro ny mpikatroka te hitondra ny lokony. Endrika iray hisian’ny fifandaminana ny fifidianana savaranonando, toromarika avy amin’ny talen’ny fampielezan-kevitry ny antoko. Niroso tamin’izany ny boriborintany faha-5 ny sabotsy 23 febroary teo. Natao teny amin’ny foiben-toeran’ny TIM.K25 teny Bel’Air ny fifidianana, ka voasafidin’ny mpikatroka eny ifotony (bases) tamin’ny alalan’ny DISTIM sy FOKTIM hitondra ny lokon’ny antoko Atoa Ralambozafimbololona Fetra izay nahazo vato 117. Mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo izy, ary efa lisitra faharoan’Atoa Randrianarisoa Guy Rivo tamin’ny fifidianana depiote tamin’ny 2013. Nahazo vato 4 kosa Atoa Faustin Andriambahoaka filohan’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo, ary ny depiote teo aloha Atoa Randrianarisoa Guy Rivo kosa nahazo vato 1. Ireo solombavam-bahoaka teo aloha miaraka amin’ireo “Assistants parlementaires”, ireo delegen’ny boriborintany faha-5, mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo eto amin’ny boriborintany faha-5, ireo biraon’ny DISTIM sy ny mpanolotsaina, ary solontena 5 isaky ny FokTim 27, izay samy nandefasana taratasy fampiantsoana avokoa, ka ny 123 tamin’ireo  183 voasoratra anarana no tonga nanatanteraka ny fifidianana. Marihina fa anjaran’ny birao nasionalin’ny TIM ny fanapahan-kevitra farany, kanefa miandrandra sy miangavy ireo mpikatroka TIM eny ifotony mba hohajaina izay safidin’izy ireo tamin’ny fifidianana savaranonando, hoy ny antso avo tetsy Bel’Air ny faran’ny herinandro teo.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana