Dans la mme rubrique

KIANTRANOANTRANO

09/04/2019

Fanadihadiana anatiny fotsiny ihany izay mifandraika amin’ny fitsipi-pifehezana no hatao amin’ireo polisy nahiana ho nahavanon-doza tany Maroantsetra.

KIANTRANOANTRANO

Hamaky ny tohiny...

NITENY NY VADIN’ILAY KANDIDA VOATIFITRA

04/04/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny vadin’ilay kandidà izay maty notifirina tany Tsaratanàna. Manahy mafy izy ireo fa mety havotsotra atsy ho atsy ilay kandidà hafa izay voarohirohy ho atidoha nikotrika ny famonoana.

NITENY NY VADIN’ILAY KANDIDA VOATIFITRA

Hamaky ny tohiny...

NITORY NY FIANAKAVIAN’ILAY KARANA VAVY

27/03/2019

Omaly no nametraka ny fitoriana teo anivon’ny BC etsy Anosy ny fianakavian’ilay ramatoa karàna vavy Rehana Dinmamod izay nisy namono ny alahady tolakandro teo.

NITORY NY FIANAKAVIAN’ILAY KARANA VAVY

Hamaky ny tohiny...

TAVOAHANGY MALOTO

25/03/2019

Tavoahangy feno pipi atsipy eny amin’ny olona, olona afaka mitondra labiera sy toaka ary miteraka fahamamoana etsy sy eroa.

TAVOAHANGY MALOTO

Hamaky ny tohiny...

BILETA TOKANA

21/03/2019

Ahitana karazany telo ny bileta tokana ho ampiasaina amin’ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny Ceni. Na atao A 3 na A4 na A5 ny bileta tokana izay ho atonta manomboka amin’ny 26 marsa izao.

BILETA TOKANA

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN4

20/03/2019

Efatra no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny lalam-pirenena faha-efatra. 44 km hiditra an’ i Mahajanga ny marainan’ny omaly talata 19 martsa tokony tamin’ny 6ora maraina. Fiarakodia fitateram-bahoaka mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ity tra-doza ity. Marihina fa tsy nisy aina nafoy.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN4

Hamaky ny tohiny...

ZANDARY MATY AM-PERINASA

19/03/2019

Zandary iray indray no lavo am-perinasa. Tany Tsaratanàna raha nanara-dia dahalo no nisy tifitra tampoka avy ao anaty kizo nahazo ny zandary mpianatr’asa antsoina hoe Rakotomalala Dera Théogène, 25 taona ary mbola mpitovo.

ZANDARY MATY AM-PERINASA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

OLO-MALAZA VOATAFIKA

11/02/2019

Olo-malaza roa dia i Michael sy Manou izay samy fantatra amin’ny tontolon’ny zava-kanto noho ny nivoahan’izy ireo tamin’ny Pazzapa tamin’izany no voatafika tetsy Mahitsy.

 

 Olona am-polony izay nitam-basy no nanafika ny tokantranon’ireto mpivady ireto. Voatifitra tamin’izany ny raim-pianakaviana izay havan’izy roa ary koa ny mompera iray. Mbola afaka nandefa hafatra tamin’ny facebook izy roa nandritry ny fanafihana ary ny olona izay nahita no nampandre ny mpitandro ny filaminana. Saingy efa tsy nisy na inona na inona hita intsony. 


FONJABEN’I TOAMASINA

Voatery nandray fepetra ny mpiandry fonja ao Toamasina ary nanome sakafo manta ireo asiatika (sinoa sy thailandais) miisa 15 izay nigadra ao ka nanao fitokonana noho ny tsy fahampian’ny sakafo omena azy ireo. Raha tsiahivina dia ny fonja eto amintsika no isan’ny tena tsikerain’ny mpiaro ny zon’olombelona indrindra satria tsy manara-penitra sy tsy ampy sakafo ho an’ny gadra. Etsy andanin’izany,naneno hoazy ny sambo Flying izay nipetraka fotsiny tao amin’ny seranana ary voatery navoaka hainganany komandàn’ny sambo sy ny teknisiana iray mba nanamboatra izany. 


MPITANDRO FILAMINANA

Tsy fantatra intsony ny tena andraikitry ny mpitandro ny filaminana eto amintsika sy ny fari-piadidian’izy ireo avy. Nahagaga ny maro ny nahita ny minisitry ny fiarovam-pirenena teny amin’ny faritra iva teto an-drenivohitra ary nitondra kômandô mba hanao fisafoana ny elakelan-trano sy ny faritra mena. Tsy misy maharatsy izany saingy kosa tsy tokony ho andraikitry ny polisy ve ny fampandriam-pahalemana ety an-drenivohitra. Na izany aza anefa mety mba hanatsara zavatra ihany ny fampiasàna ny miaramila hanampy azy ireo. 



 

 

 

MPONIN’AMBANIN’AMPAMARINANA

Hanaiky ny hiala eny Ambanin’Ampamarinana sy Tsimialonjafy ihany ireo mponina terena hiala eny an-toerana raha toa ka misy ny fifiampiresahana mazava, hoy izy ireo . Tsy mbola nisy mantsy ny fanazavana tsara avy amin’ny teknisianina  sy ny Bngrc momba ny antony hilazàna fa tena tsy mety intsony ny fipetrahana eny. Mihinzingizina ireo mponina fa tsy ny toerana rehetr ano hatahorana hirotsaka fa kosa ny faritra sasantsasany ihany. Tsy tokon hisy arak’izany ny fanerena hiala.

NAHAZO ALALANA HANORINA TRANO

Nahazo alalana hanaovana fanorenana avokoa ireo trano eny Ambanin’Ampamarinana hoy ny delegen’ny boriborin-tany fahefatra ary mandoa hetra ara-dalàna raha ny fanazavany . Faritra tsy tokony anorenana anefa eny amin’ity faritra ity raha ny tantara no zohina saingy tsy nanakana ireo mponina hanangana teny izany hatramin’ny fanjanahan-tany . Sarotra arak’izany ny hanalàna ireo mponina saingy mila mametraka fifanarahana mazava ny  fitondram-panjakana momba ny fepetra rehetra hamindrana ireo mponina


LAFINY SOSIALY MIKORONTANA

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fitantanana ny sosialin’ny vahoaka hoy ny filoha nasionalin’ny Hafari malagasy Jean Nirina Rafanomezantsoa manoloana ny  fisian’ilay ranobe rehefa avy ny orana. Tsy nisy mihitsy ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana isaky ny misolo  ny fitondrana hoy izy. Nanakiana mafy ny vahoaka ihany koa noho ny tsy fandraisan’andraikitra sy ny fikojàna ny fotodrafitr’asa ny Hafari malagasy ka izao lasa samy mizaka ny vokany.

 

TSY FOTOANA HANAPOAHANA VATO

Tsy fotoana tokony hanapoahana vato izao vanimpotoanan’ny fahavaratra izao ary mainka koa hatahorana hampisy fiantraikany ratsy hoy  ny lehiben’ny  fokontany eny Tsimialonjafy. Nanamafy ireo mponina fa mila mitady vahaolana hafa ny Bngrc  fa tsy ny fanapoahana io vato io no mainka koa hanitatra ny olana sy hampirodana. Tsy mety amin’izy ireo ny hipetraka lavitra ny renivohitra araka ny vahaolana efa nomen’ny mpitondra azy ireo.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana