Actualités
Mpandevina tra-doza Olona 9 no naratra mafy
11/02/2019
Mpandevina sivy no naratra mafy. Io no vokatry ny loza tamin’ny fiara roa nifandona, afak’omaly atoandro, araka ny loharanom-baovaon’ny Borigadin’ny Zandarmaria Ambohidratrimo.
Fiara iray mpitondra mpandeha handevina no nifanehitra tamin’ny kamio iray teo amin’ny fiolahan’Ampasinomby, Andakana, Ambohidratrimo. Nandeha mafy izy io ary saika niala ny lalana kinanjo namantana teny amin’ilay fiara vaventy. “Efa matetika itrangana lozam-pifamoivoizana io PK 23, amin’ny RN4 io, noho izy fiolahana tampoka moa mirimorimo tsy manampo ny ankamaroan’ny mpamily amin’iny lalana mahitsy izay tatazan’ny fivilianana tampoka ”. Araka ny vaovao ofisialin’ireo mpitandro filaminana izay miadidy ny faritra ka efa mpanatanteraka ny fanadihadiana tamin’ireo loza mpitranga. Nanamafy izany ny mponina eny an-toerana iray izay nanohitra ny finoanoam-poana. “Mandeha ny feo ety an-toerana noho ny loza mpitranga teo, nisy mihitsy aza ny maty ka lazaina fa misy lolo eo. Nefa raha mijery ny lalana mahitsy miolana tampoka mahazo fandry ivelan’ny arabe, tsy isalasalana ny mahatonga ny loza, indrindra ho an’ny fiara vahiny”, hoy i Liva R. Raha ny filazan’ny havan’ireo mpandeha naratra ka naiditra teny amin’ny toeram-pitsaboana Anosiala, dia fiara efa mpandeha amin’iny RN4 iny io niharam-boina io. Tsy nanda kosa izy ireo fa nandeha mafy noho ny famonjena fotoana ny mpamily. Heverina fa mety raha asiana fetran’ny hafainganam-pandeha ny fiara mpitondra olona, indrindra ny fanaraha-maso amin’ny teknolojia azy ireny tahaka “GPS” , ny “puce” izay fanaon’ny any ivelany.
Haja Nirina