Politique
Mponin’Ampitatafika Vaovao Mazoto mijery anarana ao anaty lisi-pifidianana
11/02/2019
Afaka dimy andro ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana lisi-pifidianana. Raha ny tatitra avy amin`ny CENI, tsy mahafa-po ny taham-pitomboan` ny olom-pirenena voasoratra ao anatin`ny lisi-pifidianana satria 1,25% ny salan`isa hita eto Antananarivo Renivohitra ary 0,23% kosa izany manerana ny nosy.
Mifanohitra amin` izany n yeo anivon`ny fokotany Ampitatafika Vaovao satria marisika ny olona mijery ny anarany ao anatin`ny lisi-pifidianana, hoy ny sefom-pokotany, Rtoa Razafimahazo Harisoa Fara. Nanomboka tamin` ilay fifidianana filoham-pirenena teo dia efa hita fa maro dia maro ny olona tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana ka efa tamin` izany no nisy ny fanentanana. “Mba hidirana ao anaty lisi-pifidianana, dieny izao, manatera dika mitovy amin`ny kara-panondrom-pirenena sy karnem-pokotany hanamarinana fa tena mponina eny Ampitatafika” hoy Rtoa Razafimahazo Harisoa Fara, tamin`ireo mponina eny an-toerana. Vao nigadona ny 1 desambra 2018, daty fisokafan`ny fanavaozana lisi-pifidianana dia nihamafy izany fanentanana, ka nandray ny anaran` ny olona tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana, ankoatr`ireo nifindra monina sy ireo vao feno 18 taona nahavita kara-panondrom-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana. Anio dia hanatanteraka fidinana ifotony eto amin`ny faritra Analamanga ny CENI ka hisy fanentanana eny anivon`ny sekoly, oniversite ary fivoriana miaraka amin`ny fokontany mba ho fandrindrana ny fisoratana anarana amin`ny lisi-pidiifanana.
Vaovao
Marigny A.