Dans la męme rubrique

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

21/08/2019

Tonga niarahaba tamin’ny fomba ofisialy an’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine tamin’ny nahavoafidy azy tamin’ny fifidianana tamin’izany ny solotena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara Ramatoa Violet Kakyomya.

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

21/08/2019

Hiditra amin`ny fandaniana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an`ny taona 2020. Mijanona ho 2020 ny PMO saingy mifanaraka amin`izay ve ny tetibolam-panjakana ?

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

Hamaky ny tohiny...

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

19/08/2019

Araka ny andininy faha-99 amin`ny lalàmpanorenana dia iray volana farafahatarany aorian`ny fanendrena ny praiminisitra dia tsy maintsy mitondra ny “Programme de mise en oeuvre” (PMO) eo anivon`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE)

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

12/08/2019

Miantoka ny fahombiazan’ny 75% ny voka-pambolena ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana manara-penitra.

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

Hamaky ny tohiny...

Tahina Razafinjoelina « Fampianarana no fanalahidin’ny fandrosoana »

01/08/2019

Vahiny manokan’ny onjam-peo Fandaharana “Bemiray” ao amin’ny Top Radio 102.8 Fm Atoa Tahina Razafinjoelina filoha nasionalin’ny Antoko Tia Tanindrazana omaly maraina.

Tahina Razafinjoelina « Fampianarana no fanalahidin’ny fandrosoana »

Hamaky ny tohiny...

Lalana Tsarasaotra Ivato Tsy azo ekena ny gaboraraka, hoy ny fanjakana

31/07/2019

Manomboka ny alarobia ho avy izao dia hipetraka ny fandaminana vaovao eo amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato .

Lalana Tsarasaotra Ivato Tsy azo ekena ny gaboraraka, hoy ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola

29/07/2019

Nandritra ny 10 taona nitsanganan’ny Sampandraharaha iadiana amin'ny famontsim-bola sy famatsiam-bola amin'ny fampihorohoroana (SAMIFIN) izay dia tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.

10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Varotra Elektronika Efa miroso tsikelikely i Madagasikara

11/02/2019

Manana tombony i Madagasikara satria mpikambana ao amin’ny Fikambanana Maneran-tany momba ny Varotra (OMC).

 

 Nisy ny atrikasa nasionaly notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria tetsy Antaninarenina. Manampahaizana manokana avy amin’ny OMC no nanofana sy nampahalala bebe kokoa momba ny varotra elektronika (e-commerce) tamin’ireo mpisehatra sy mpandraharaha eto Madagasikara. Nojerena sy nodinihina ny zava-misy marina eto amin’ny firenena ary nanaovana fampitahana ny amin’ny any ivelany. Efa nanao fanadihadiana ihany koa moa ny fikambanana maneran-tany momba ny varotra sy ny fambandrosoana (CNUCED) izay nijery antsipiriany teboka 7 nitarafana hoe aiza ho aiza ny firenena Malagasy amin’io sehatra io mihoatra ny firenena hafa.  Tamin’izany no nanazavana ny drafitrasan’ny OMC izay hiezaka hampandroso haingana an’i Madagasikara amin’io sehatra io. Betsaka ny ezaka tsy maintsy atao hampakatra ny vaovao rehetra tsara ho fantatra hahatsara an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana ara-barotra. Anisan’ny nodinihina tao ihany koa ny tokony hisian’ny rafitra sy rantsa-mangaika hiaro ny mpanjifa ny amin’ny famelana ny famerenam-bola atao raha misy tsy afa-po amin’ny tolotra ataon’i Madagasikara amin’io varotra elektronika io. Tsy tara i Madagasikara na dia mbola mila ezaka be ary satria efa maro be, hoy ireo tompon’andraikitra ny mpanjifa efa mividy zavatra amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Tokony hisy ohatra ny paikady sy ny stratejia mazava ny amin’ny lalan-kaleha iraisan’ny olona rehetra amin’io varotra elektronika io mba ho tombontsoan’ny maro. Tsy mazava ihany koa, hoy izy ireo ny  fandrindrana ankapoben’ny lafiny fanamorana ny fandraisam-bola. Ny any ivelany izao dia atao amin’ny alalan’ny carte de crédit  fotsiny dia tafiditra amin’ny kaontin’ny mpivarotra ny vola. Izany rehetra izany no ilana ezaka ary tompon’andraikitra voalohany ny fanjakana satria sehatra haingana ahafahan’ny tanora manangana ny orinasa ho an’ny tenany io ary hiteraka asa ho tombony be ara-toekarena.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana