Dans la mme rubrique

Zandarimariam-pirenena Tofoka amin’ny mizana tsindrian’ila…

15/04/2019

Tsy misy vola ny fanjakana, ary io no antony tsy hivahan’ny olana maro amin’izao, raha tsy hilaza afa tsy ny an’ny mpampianatra mpikaroka.

Zandarimariam-pirenena Tofoka amin’ny mizana tsindrian’ila…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana BRINKS nitondra vola Jiolahy 2 matin’ny zandary

15/04/2019

Miala any ny fahasahiana fanafihana fiara tsy laitram-basy mpitatitra vola.

Fanafihana BRINKS nitondra vola Jiolahy 2 matin’ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Halatra taolam-paty-Talatavolonondry Razana 231 tsy hita popoka

15/04/2019

Iraika amby telopolo sy roan-jato no isan’ny razana tao amin’ireo fasana roa nifanakaiky lasan’ireo mpangalatra taolam-paty, na dia tsy fomba aza ny manisa maty amin’ny Malagasy.

Halatra taolam-paty-Talatavolonondry Razana 231 tsy hita popoka

Hamaky ny tohiny...

Rugby Famaranana “TOP 6 de l’ocean Indien 2019” Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboara

15/04/2019

Norombahin’ny ekipan’i DAKAR “FTM Manjakaray” ny amboaran’ny Oseana Indiana taranja rugby à XV eo amin’ireo ekipa

Rugby Famaranana “TOP 6 de l’ocean Indien 2019” Norombahin’ny FTM Manjakaray ny amboara

Hamaky ny tohiny...

Analamahitsy Ireo mpanendaka mampiasa moto indray no hazain’ny polisy

11/04/2019

Efa manana ny tetikadiny ireo mpitandro filaminana manoloana ireo mpitondra fiara kodiaran-droa manakan-dalana eny Analamahitsy, indrindra manomboka takariva. «Handray ny fepetra amin’ireo

Analamahitsy Ireo mpanendaka mampiasa moto indray no hazain’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

Faritra Avaradrano Ketraky ny tsy fandriampahalemana ny tantsaha

09/04/2019

Lasa faritra mena tanteraka ny eny Avaradrano amin’izao fotoana ary tena mahavelon-taraina ny tantsaha.

Faritra Avaradrano Ketraky ny tsy fandriampahalemana ny tantsaha

Hamaky ny tohiny...

Hentitra sy masiaka ireo lehibe Hosaziana avy hatrany ny polisy jiolahy

09/04/2019

«Hamafisina fa tsy natao ho fialokalofan’ny jiolahy sy ny mpanao ratsy ny asan’ny polisy». Io no tenin’ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny CGP Herilanto Iangotiana

Hentitra sy masiaka ireo lehibe Hosaziana avy hatrany ny polisy jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Tsy milamina intsony ny tany Mihantsy mpitandro filaminana ny jiolahy

11/02/2019

Isan’andro no ahenoana endrika tsy fandriampahalemana, saika amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra.

 Ekena fa misy ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana, saingy tena mbola tsy tafapetraka eto amin’ny tany sy ny firenena ny fandriampahalemana na izany aza. Misy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana toy ny fahitana azy ireo manao fitsirihana amin’ny alina eto Antananarivo, fa tsy ambakan’izany ihany koa ny jiolahy. Jiolahy raindahiny 7 no traha-tehaky ny Polisin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) tao Toliara ny alin'ny 08 febroary 2019.
Ny roa nitondra basy vita gasy sy sabatra dia lavon'ny bala nandritra ny fifanenjehana.Ny 5 lahy, malaza amin’ny fanendahana sy sinto-mahery ao an-tanana kosa dia tratra nandritra ny fisafoana ny alin'io 8 febroary io ihany. Lasibatra ny vahoaka sy ny fananany, ary tena mihantsy ny mpitandro filaminana mihitsy ny jiolahy. Mitohy hatrany ny fakana an-keriny sy fitakiana volabe ankoatry ny fanafihana, ka ny alin’ny 7 febroary dia olona 5 nalaina an-keriny tao Tsaratanana. Tany Ambatomainty any amin’ny faritra Melaky izao, dia omby 50 lasan'ny dahalo ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 febroary teo. Dahalo manodidina ny telopolo lahy no nanafika, ka nirefodrefotra ny basy nandritra ny ora iray sy sasany teo.  Ny sabotsy teo, dia mpivarotra enta-madinika iray no voatifitra teo amin’ny feny tao Ambatondrazaka Renivohitra, nandritra ny fanafihan’ny jiolahy miisa 4 teo ho eo. Valo lahy nirongo basy PA sy kalaky nanafika tokatrano iray mpividy sy mpivarotra volamena tao Manjarisoa ao Mahajanga omaly alahady maraina, ka lasa ny volamena 500g mahery niaraka tamin’ny vola 40 tapitrisa. Notsindromina vy maranitra in-telo ny ramatoa iray tamin’izany. Tsy lavitra an’Antananarivo, fa teny Mahitsy ny andron’ny sabotsy alina teo, dia nirefodrefotra ny basy noho ny fanafihan-jiolahy, ka olona roa no naratra. Ny iray voatifitra teo amin’ny kibony, ary ny iray naratra ihany koa ny tongony. Ampahany ihany ireny, fa tsy voafehy ny fandriampahalemana amin’ny ankampobeny, ka asa na hanova zavatra ny fampidiran’ny fanjakana angidim-by miisa 5 izay handaniana volabe atsy ho atsy, na ho kisehoseho ivelany fotsiny ihany.

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana