Dans la mme rubrique

GADRA TAFATSOAKA

18/02/2019

Ireto avy ny anaran’ireo gadra tafatsoaka tao amin’ny fonjaben’ny Tsiroanomandidy ny asabotsy lasa teo :

GADRA TAFATSOAKA

Hamaky ny tohiny...

CLAUDINE RAZAIMAMONJY

15/02/2019

Naverina faran’izay maika eny Antanimora i Claudine Razaimamonjy. Izy dia nigadra eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana raha ny tokony ho izy.

CLAUDINE RAZAIMAMONJY

Hamaky ny tohiny...

BOADEROZY

13/02/2019

0maly koa dia mbola nisy nidoboka am-ponja vonjimaika ny mpanao trafika bois de rose.

BOADEROZY

Hamaky ny tohiny...

OLO-MALAZA VOATAFIKA

11/02/2019

Olo-malaza roa dia i Michael sy Manou izay samy fantatra amin’ny tontolon’ny zava-kanto noho ny nivoahan’izy ireo tamin’ny Pazzapa tamin’izany no voatafika tetsy Mahitsy.

OLO-MALAZA VOATAFIKA

Hamaky ny tohiny...

RAY NAMPIJALY NY ZANANY VAVY

07/02/2019

Nidoboka am-ponja ilay raim-pianakaviana izay nampijaly ny zanany vavikely vao valo taona. Nosamborin’ny polisy tao an-tranony izy mivady rehefa nitaraina ny mpiara-monina fa maheno zaza miantso vonjy matetika.

RAY NAMPIJALY NY ZANANY VAVY

Hamaky ny tohiny...

FAMONOANA VADY

07/02/2019

Renim-pianakaviana iray nanindron’antsy teo amin’ny fonin’ny vadiny ka nahafaty ity farany, ny alin’ny 3 febroary tany Ambodimanga , Andapa.

FAMONOANA VADY

Hamaky ny tohiny...

MISY MIKASA HANDROBA

06/02/2019

Mbola misy mikasa handroba ihany eny Ampamarinana taorian’ireny loza nahafaty olona ireny.

MISY MIKASA HANDROBA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

TSY MBOLA NIVOAKA NY VOLA

08/02/2019

Tsy mbola nisy vola nivoaka sy nomena ny havan’ireo izay niharam-boina tamin’ny raharaha 7 febroary hatramin’izao.

 

 Miverina mampiantso sy mamerina ny fanadihadiana ireo rehetra tokony hahazo fanonerana ny komisiona amin’ny fampihavanana ny malagasy (CFM). Raha ny statistika dia mahatratra 1233 ireo olona izay tokony hahazo fanonerana nanomboka tamin’ny 2002 ka hatramin’ny 2009. 

MIFAMPIARO NY ZANDARY

Harovan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fatratra ireo zandary izay namono olona miisa valo tany Betroka. Izany dia taorian’ny nanamelohan’ny fikambanana iraisam-pirenena Transparency International fa vonoina tsy amin’antony ny olona. Nambaran’ny jeneraly Ravalomanana fa afaka manao fanadihadiana iraisam-pirenena izay te-hanao izany satria tsy hanakana azy tsy hiaro ny olony izany. 

DIBO-DRANO

Dibo-drano tanteraka indray Iarivo omaly. Tsy nisy tsy nimenomenona ny olona ary na ny mpampiasa fiara aza dia fay tanteraka satria simba ny motera ary tafiditra ao anatiny ny ranobe feno loto. Mitombo ihany ny làlana izay tsy azo handehanana intsony ankehitriny raha vao milatsaka kely ny orana, isan’izany i Tsaralalàna. Etsy andanin’izany, ranom-potaka no nivoaka tamin’ny paompin’ny Jirama tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra omaly. Mijaly tanteraka ny vahoaka. 

MPANAO GAZETY HIATRIKA FITSARANA

Niakatra fampanoavana omaly i Lôla Rasoamaharo sy Francis Aurélien. Izany dia noho ny fitorian’ny filohan’ny federasionan’ny baolina kitra Doda Andriamiasasoa izay nilaza fa afa-baraka noho ny lahatsoratra indroa miantoana tamin’ny volana novambra izay navoakan’ny gazety La Gazette de la Grande Île. Nilaza ny mpitsara ny hamerenana ny fihainoana satria tsy maintsy hatao fanadihadiana koa ny tonian-dahatsoratra momba ity raharaha ity. 

 

 

VOASAMBOTRA TANY MAHAJANGA

Voasambotry ny polisy tao Mahajanga ilay lehilahy namono ilay teratany Karana tamin’ny 23 janoary farany teo . Mbola mikaroka fatratra ireo namono ilay teratany karana tompon’ny tranom-barotra Krish koa ireo mpanao fanadihadiana. Ahiana hiverina indray ny opération karàna (OPK) raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. nanapa-kevitra izy ireo ny handray fepetra maika mifandraika amin’izany.

MALOTO NY RANON’NY JIRAMA

Maloto tanteraka ny ranon’ny Jirama tonga eny an-tokantranon’ny olona amin’izao. Mitaraina ireo mponina kanefa lazain’ny jirama fa manely tsaho rehefa tsy manana ny porofo mifandraika amin’izany. Ankoatra ny loton’ny  rano,  tapaka ihany koa ny rano  indrindra fa rehefa  mirotsaka ny orana toy ny eny Besarety , Soavimbahoaka ka mampikaika ny vahoaka

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana