Sosialy
Traboinan’Ampamarinana Nafindra etsy amin’ny INFP sy kianja mitafon’i Mahamasina
08/02/2019
Omaly alakamisy 07 febroary no fe-potoana farany nomena ireo olona monina eny amin’ny Fokontany Ampamarinana sy ny manodidina tafiditra ao anatin’ny faritra mena, ahiana hisy fihotsahan’ny tany sy fianjeran’ny vato.
Nafindra moramora eny amin’ny INFP sy ny kianja mitafon’i Mahamasina izy ireo araka izany, famindran-toerana tsotra hahafahana miaro ny ain’izy ireo fotsiny fa tsy misy resaka fandrodanana trano, akory. Ny miaramila raha ny fantatra no hiantoka ny fiambenana ny tranon’izy ireo raha ireo karazan’entana tsy afa-miala toy ny fitafiana sy ny lamba firakotra sisa no tsy maintsy entina. Nambaran’ny renim-pianakaviana iray fa nijanona hatreo ilay resaka fandravana trano izay tena nampisavoritaka ny mponina tokoa. Nalana ihany koa ilay peta-drindrina niparitaka teny rehetra teny raha ny fanazavany, fa nosoloina vaovao. Asa fanadiovana no fantatra, hoy izy fa hataon’ny fokontany sy ireo tompon’andraikitra maro samihafa ka ao anatin’izany no hahafahan’izy ireo mamoaka sy mamaritra marina ireo toerana tsy maintsy hialana hahafahana misoroka ny loza mety hitranga tampoka. Tamin’ny ankapobeny dia maro tamin’ireo olona voakasika no nandefitra rehefa nahare fa tsy horavana ny tranony raha nisy ihany ireo mbola nanda. Ho fitsinjovana ny asa fiveloman’izy ireo sy ny fianaran-janany moa no antony nametrahana azy ireo manodidina an’i Mahamasina ihany.
Pati