Dans la męme rubrique

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

18/02/2019

Handrotsaka kandida depiote any Antsirabe, Tsiroanomandidy, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Sainte Marie, Manakara,

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

18/02/2019

Nifarana ny zoma 15 febroary lasa teo ny fandraketana ny anarana anatin`ny lisi-pifidianana ary hatao ny sonia hamaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana eny anivon`ny rantsamangaikan`ny CENI amin`ny distrika (CED), ny 28 febroary ho avy izao.

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

18/02/2019

Maro no efa nahatsapa fa marina ary tsy azo lavina ny tenin’i Marc Ravalomanana, mila mifampiresaka, ampanginina ny hambom-po vao afaka tena miroso amin’ny fampandrosoana.

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

18/02/2019

« Zava-dehibe ny fisian`ny loholona ary ilaina ny fifandanjan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna izay misaraka mazava tsara ao anatin`ny lalàmpanorenana », hoy ny loholona Ramparison Luc.

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

Hamaky ny tohiny...

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

18/02/2019

Kihon-dàlana iray lehibe hahafahana mametraka ny fifandanjan-kery ara-politika eto amin’ny firenena ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy azo lavina fa ny “TIM.K25”

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

16/02/2019

Tsy voasoratra any anaty lalàna, saingy efa naman’ny nipetraka ho lamina mandeha ho azy teto amintsika ny fifandanjana ara-paritra na ny “équilibre régionale” amin’ny fitsinjaran’ny fahefana.

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

16/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tranon`ireo depiote ao Tsimbazaza Misy zavatra tsy milamina

08/02/2019

Tapitra ny 5 febroary misasakalina teo ny fe-potoana niasan`ireo solombavambahoaka.

 

 

 Maherin` ny 20 isa ireo depiote no efa naka ireo entana sy niala sy nanome ny hidin-trano any amin`ny tompon’andraikitry ny fampitaovana eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Amin`ny ankapobeny, ireo depiote lavitra sy saron-dalana no misitraka ireo trano ao amin`ny lapa. Herinandro ny fe-potoana farany hahafahan’izy ireo mipetraka eny an-toerana ary tokony hisy ny fanaterana fanalahidy ho an`ireo depiote. Eo ihany koa ny fangoronana entana isaky ny birao eny an-toerana. Misy kosa anefa ny fandaminana fa rehefa mivoaka ny naoty avy amin`ny sekretera jeneraly dia tsy maintsy misy ny fetra hijanonany ao.  Misy kosa ireo depiote no mitaraina amin`ny haratsin`ny fotodrafitrasa. Miaina amin`ny zavatra tsy tokony ho izy ny depiote satria tery ny efitra, ratsy ny trano, antitra ny fotodrafitrasa ka mila fanamboarana. Tsy misy mpijery ny trano natokana ho an`ireo depiote sady tsy manaraka ny fenitra. Miisa 115 no mahazo trano amin` ireo depiote 151 ary mandefitra ny eto Antananarivo sy ny manodidina kanefa mbola misy ihany ireo solombavambahoaka avy amin`ny faritra no tsy misitraka izany. Raha ny eo amin`ny tokotany indray dia zara lasa fitobiana fiara na koa fanamboarana fiara fotsiny. Marihana fa efa tapitra ity ny dimy taona nilazana fa hisy fanitarana eo amin`ny “ cafetaria”saingy tsy mbola nanomboka ny asa. Mila mandray fepetra ny tompon’andraikitra fa tsy mendrika ho andrim-panjakana ny eny Tsimbazaza.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana