Dans la mme rubrique

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

18/02/2019

Handrotsaka kandida depiote any Antsirabe, Tsiroanomandidy, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Sainte Marie, Manakara,

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

18/02/2019

Nifarana ny zoma 15 febroary lasa teo ny fandraketana ny anarana anatin`ny lisi-pifidianana ary hatao ny sonia hamaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana eny anivon`ny rantsamangaikan`ny CENI amin`ny distrika (CED), ny 28 febroary ho avy izao.

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

18/02/2019

Maro no efa nahatsapa fa marina ary tsy azo lavina ny tenin’i Marc Ravalomanana, mila mifampiresaka, ampanginina ny hambom-po vao afaka tena miroso amin’ny fampandrosoana.

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

18/02/2019

« Zava-dehibe ny fisian`ny loholona ary ilaina ny fifandanjan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna izay misaraka mazava tsara ao anatin`ny lalàmpanorenana », hoy ny loholona Ramparison Luc.

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

Hamaky ny tohiny...

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

18/02/2019

Kihon-dàlana iray lehibe hahafahana mametraka ny fifandanjan-kery ara-politika eto amin’ny firenena ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy azo lavina fa ny “TIM.K25”

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

16/02/2019

Tsy voasoratra any anaty lalàna, saingy efa naman’ny nipetraka ho lamina mandeha ho azy teto amintsika ny fifandanjana ara-paritra na ny “équilibre régionale” amin’ny fitsinjaran’ny fahefana.

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

16/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote hiatrika fifidianana “Miainkina amin`ny fanjakana ny isany”, hoy ny CENI

08/02/2019

· Namoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey ho avy izao ny governemanta. Roso amin`ny dingana samihafa amin`ny fanatanterahana izany isika, hoy ny teo anivon`ny CENI.

 


Hatreto tsy mbola miova ny isan`ireo solombavambahoaka hofidiana, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo. Ny f
itsinjarana ny sezan`ny solombavambahoaka dia didim-panjakana raisina eo anivon`ny filankevitry ny minisitra no hahafahana mamaritra an`izany, hoy izy. Miankina amin’ny tomponandraikitra ara-politika no hamaritana na hitombo na hihena ny isan`ny depiote. Na hijanona ho 151 io isa io na dia satrin’ny governemanta ny hampihena izany tarehikmarika izany noho ny politika fitsitsiana na koa hitombo ihany koa noho ny fitomboan`ny faritra ho 23 izay hiteraka distrika vaovao ihany koa. Raha tombantombanana ny mety hitranga: na mitombo ny isan`ny depiote na tsia raha tia hitondra fanovana hampiakatra ny fetran`ny isan`ny mponina hahazoana mametraka depiote iray isaky ny distrika ny fitondrana. Raha mbola misy fanovana entin`ny governemanta entina anefa amin`izany lalàna mifehy ny fifidianana dia manana ity herinandro ity ny mpitondra hamoahana didim-panjakana mifandraika amin`izany alohan`ny hisokafana ny fe-potoana hametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ny 26 febroary 2019 ka hatramin’ny 12 martsa 2019 ny fametrahana ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidiana eny anivon’ny CED.

Hatreto ny fanovana nentin`ny solombavambahoaka tao anatin`ny lalàm-pifidianana farany teo ny fameranana indray izany lalàm-pifidianana izany toy ny tamin`ny 2013. Tsy “scrutin uninominal”, izany hoe depiote iray miaraka amin`ny mpisolo toerana azy ihany no hofidiana fa “scrutin de liste”, izay midika fa kandidà solombavambahoaka mitarika ny lisitra hofidiana miaraka ny olona maromaro ary distrika iray mila fari-pidiadiana iray. Noho izany, depiote iray ho an`ny distrika iray misy mponina latsaky ny 250 000. Miakatra ho roa kosa ny solombavambahoaka raha distrika iray raha misy 250 000 no miakatra  ny mponina.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana