Dans la mme rubrique

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

18/02/2019

Handrotsaka kandida depiote any Antsirabe, Tsiroanomandidy, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Sainte Marie, Manakara,

Lalatiana Rakotondrazafy Mihantsy ady amin’ny MAPAR ?

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

18/02/2019

Nifarana ny zoma 15 febroary lasa teo ny fandraketana ny anarana anatin`ny lisi-pifidianana ary hatao ny sonia hamaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana eny anivon`ny rantsamangaikan`ny CENI amin`ny distrika (CED), ny 28 febroary ho avy izao.

Lisi-pifidianana Nanesorana anarana maherin`ny 200 000 isa…

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

18/02/2019

Maro no efa nahatsapa fa marina ary tsy azo lavina ny tenin’i Marc Ravalomanana, mila mifampiresaka, ampanginina ny hambom-po vao afaka tena miroso amin’ny fampandrosoana.

Marc Ravalomanana Voaporofo fa marina hatrany ny teniny

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

18/02/2019

« Zava-dehibe ny fisian`ny loholona ary ilaina ny fifandanjan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna izay misaraka mazava tsara ao anatin`ny lalàmpanorenana », hoy ny loholona Ramparison Luc.

Antenimierandoholona Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ny hoaviny

Hamaky ny tohiny...

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

18/02/2019

Kihon-dàlana iray lehibe hahafahana mametraka ny fifandanjan-kery ara-politika eto amin’ny firenena ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy azo lavina fa ny “TIM.K25”

Fandrotsahana kandida depiote Mila mailo ny TIM sy K25

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

16/02/2019

Tsy voasoratra any anaty lalàna, saingy efa naman’ny nipetraka ho lamina mandeha ho azy teto amintsika ny fifandanjana ara-paritra na ny “équilibre régionale” amin’ny fitsinjaran’ny fahefana.

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

16/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Prince Dr Ndriana Rabarioelina “Tsy mety amintsika io rafitra Repoblikanina io”

08/02/2019

Efa niteny foana izahay momba ny fifidianana feno hosoka, feno halatra, feno tsy fahamarinana. Iny fifidianana iny dia feno kolikoly

 

 

ary ny kolikoly no mandetika fa ny fahamarinana irery ihany kosa no manandratra ny firenena, hoy ny Prince Dr Ndriana Rabarioelina raha nalaina ny heviny momba ny raharaham-pirenena, toy ny nahazoantsiaka filoha vaovao. 2,5 tapitrisa amin’ny vahoaka Malagasy no nifidy ilay filoha, izany hoe ny 10% amin’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa. Tokony ho tonga saina izany izy ireo fa ny vahoaka Malagasy maro an’isa dia tsy nifidy izay filoha nifanesy teo, hoy izy. Tahaka izany ihany koa ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010, ary nisy anarana niverin-droa 1 trapitrisa aza. Ny 65% tamin’ny Malagasy no tsy nifidy an’io, izany hoe mila manova fomba famindra izay mpitondra mba tena hisian’ny firindrana eo amin’ny fiarahamonina.  Tokony hovaina ny lalàmpanorenana satria manana ny soatoavina sy ny kolontsaintsika manokana isika, ary tadidio fa ny Rafitra Repoblikanina sy demokratika dia napetraky ny fanjanahantany, dia avy amin’ny sivilizasiona Romanina sy Grika. Manana ny sivilizasionina Malagasy isika izay anisan’ny avo lenta maneran-tany, ka tsy tokony hiankina sy hanao dika mitovy fahatany ny lalàmpanorenana avy any ivelany. Raha jerena ny tantaran’ny firenena Malagasy nandritra ny 1000, 2000, 3000, 4000 taona mahery, dia ao anatin’ny vanim-potoana sadasada isika izao. Taloha nisy ny fitondran’ny Andriamanjaka, ary efa voalaza mialoha ny zavatra hitranga eto amin’ny firenena fa manjaka aloha ny lehilahy, avy eo manjaka ny vehivavy, avy eo mitondra ny vazaha menasofina, arahin’ny saribakolin’ny mpanjanatany ary ny fitondrana sadasada kosa amin’izao. Rehefa miverina amin’ny tompony ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana izay vao tena handroso i Madagasikara. Izao aloha isika mbola ao anatin’ny fanjakana sadasada amin’ny alalan’ny rafitra Repoblikanina napetraky ny mpanjanaka. Ny soatoavina Malagasy no mila tena apetraka ary miainga amin’ny tenin’Andriamanitra. Tokony hisy lalàmpanorenana hisafidianana, fa ny zava-dehibe dia lalàmpanorenana manaja ny zanahary, tenin’Andriamanitra, Soatoavina Malagasy no hany mampandroso antsika. Rehefa tena hanova rafitra dia tena manova hatrany ifotony, ka mametraka ny ampanjaka amin’ny toerana mendrika maha ampanjaka azy ary mendrika azy isam-paritra, isam-poko, ny zokiolona amin’ny toerany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana