Sosialy
Fiainam-piarahamonina Ny Malagasy mihitsy ve no tsy te handroso ?
08/02/2019
Firenena sahirana isika ary mbola “miady amin`ny kapoaka”. Raha ny fiainan`ny ankamaroan`ny Malagasy no jerena akaiky dia feno fanaratsiana, fihatsarambelatsihy, kolikoly, fitiavan-tena…
Hita taratra amin`ny trangam-piarahamonina isan-karazany izany. Ao anatin`ny fitadiavana filana fototra toy fisakafoanana ara-dalàna, tsy feno sy tsy afa-po ny ankamaroan`ny olona. Rariny raha samy mitady izay ho an`ny tenany aloha. Raha ny hevitry ny mpandinika fiarahamonina iray, ireo voalaza ireo no mitarika ny fitiavan-tena. Lasa tsy mitsinjo ny hafa intsony rehefa diso mifantoka loatra amin`izay hahasoa sy hahafinaritra ny tena fotsiny. Ny kolikoly indray dia mandray lafin-javatra betsaka, hoy ihany izy. Eo ny toe-tsaina tia kely, ho an`ny mpandray tsolotra. Miharo fanararaotam-pahefana ilay izy indraindray. Mbola tafiditra ao anatin`ny fahantrana sy ny fitiavana te hanam-be ihany koa izany. Na eo aza ny lamina mipetraka dia toa zary tia manasaro-javatra, hany ka lasa voatery manao kolikoly mba hanafainganana ny zavatra atao. Ny Malagasy dia mitady ny sitrany ahay foana mba hitomboan’ny eo am-pelatanana. Tsy mahagaga raha gaboraraka ny fitantanana ny firenena. Misy hatrany foana ny mampirisika fa rehefa hanatanteraka ilay asa iombonana dia tsy misy hita. Sao ny Malagasy ary no tsy te handroso ?
Marigny A.