Dans la męme rubrique

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

20/06/2019

Any amin’ny paroasin’ny fiangonana katolika akaiky no misoratra anarana ireo rehetra hanatrika ny Sorona masina hotarihin’ny

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala

19/06/2019

Mbola hiakatra CODIS indray ny 21 jona izao ilay mpisolovava tsy navela hiasa 2 taona,

Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

18/06/2019

Fatim-behivavy tokony ho eo amin’ny 18-20 taona eo no hitan’ny fokonolona teo amin’ny

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

Hamaky ny tohiny...

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

RAY NAMPIJALY NY ZANANY VAVY

07/02/2019

Nidoboka am-ponja ilay raim-pianakaviana izay nampijaly ny zanany vavikely vao valo taona. Nosamborin’ny polisy tao an-tranony izy mivady rehefa nitaraina ny mpiara-monina fa maheno zaza miantso vonjy matetika.

 

 

Rehefa nohamarinin’ny mpanao fanadihadiana tokoa dia tena midaroka io rangahy io ary tsy vitan’izany fa tsy omeny sakafo ara-dalàna ny zanany no tsy karakarainy koa. Omaly no natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja. 

KAMIAO NISY NANAFIKA

 Fiara kamiao « frigorifique » iray no nisy nanafika teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra izay mifanandrify amin’Ampanotokana-Ambohidratrimo. Tokony ho tamin’ny 10ora sy sasany alina, raha hihazo an’i Mahajanga ilay fiara ka voatery nijanona teo an-toerana noho ny olana ara-teknika, dia nisy dimy lahy nitondra basy sy famaky avy tao anaty maizina. Nokapain’ireo tamin’izany ny lohan’ny mpamily mba nahazoana ny vola mitentina 800.000 ariary sy ny entana vitsivitsy ary koa ny firavaka teny am-bozonana. 

FIARA VOASAZY

 Fiara efatra hatreto no efa nasiana « tacket d'arret » teny amin'ireo fiantsonana tsy ara-dalàna teto an-drenivohitra. Efa tena mandray andraikitra ny kaominina raha jerena tamin’ny hetsika tato ho ato izay. Efa nandoa sazy ireo fiara ireo ary afaka nalain’ny tompony. Mbola hitohy eny amin'ny lalana mivoaka amin'ny lalam-pirenena fahafito sy ny « boulevard de l'Europe » ary koa ankadifotsy ny fanaraha-maso hoy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny kaominina. 

#Zara raha nitombo ireo mpifidy tonga manantona ny fokontany hisoratra ao anaty ny lisi-pifidianana. Mbola malaina ny hanantona ny fokontany izy ireo hanamarina ny anarana na koa tsy te-handray anjara amin'ny fifidianana mihitsy. Amin'ny 15 febroary anefa no hikatona ny lisi-pifidianana. Ahiana arak’izany ho maivana be ny taha-pahavitrihana amin’ny fifidiana hoavy raha izao no mitohy. Mila manentana mafy ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany.

ANY AM-PONJA IREO THAILANDAIS

Nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy ireo thailandais sy sinoa miisa 15 izay tao anatin’ny sambo Flying. Hatreto dia tsy misy resaka fanondranana andramena ny fanenjehana azy ireo satria raha ny re dia efa navoaka haingana tao anatin’io sambo io hazo sarobidy raha vao fantatra fa hisy ny fisamborana. Vokatr’izany dia raharaha mahakasika ny fidirana tsy nahazoana alàlana amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara sisa no hanenjehana ireo vahiny ireo. Mafy ny mafian’ny « hazo mahagaga »…

 

KARATRA MAHA MPANAO GAZETY

Haverina tanteraka hatramin’ny voalohany ny karatra maha-matihanina ny mpanao gazety. Mbola nohamafisin’ny minisitry ny serasera hatrany izany. Ireo fanapahan-kevitra rehetra izay noraisin’i Rolly Mercia fony izy minisitra izany dia hofoanana avokoa ary hamoaka karatra manara-dalàna ho an’ny mpanao gazety amin’izay ny mpisehatra mifanandrify amin’izany.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana