Dans la mme rubrique

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

31/05/2019

Nanamafy indray ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy (Cemgam) ny jeneraly Rakotonirina Theophile fa tena mila foanana ny dahalo ambony latabatra fa ireo no tena mahatonga ny ady amin’ny asan-dahalo ho sarotra amin’izao fotoana.

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

Hamaky ny tohiny...

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

13/05/2019

Ny sabotsy 04 mey 2019 tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina dia renim-pianakaviana iray, 32 taona, monina eny amin’ny faritra 67Ha

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

09/05/2019

Akanjo toy ny olon-drehetra mba tsy hisy hahafantaran’ny jiolahy azy no anaovan’ny mpitandro ny filaminana, efa ho roa herinandro izay hijokoana ireo jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’ny faritra mavaivay.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

Hamaky ny tohiny...

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy

08/05/2019

Nanamafy omaly talata 7 mey ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Leon Rakotonirina fa manana hatramin’ny 20 jona 2019 ho avy izao ireo olona manana fitaovam-piadiana tsy misy taratasy ara-dalàna mba hanatitra ny azy eny amin’ny mpitandro ny filaminana.

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy

Hamaky ny tohiny...

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

08/05/2019

Mpanendaka sy mpanao herisetra enin-dahy sy vehivavy iray mpivarotra halatra no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria etsy Ambohijatovo, nanomboka ny sabotsy 4 mey teo.

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

Hamaky ny tohiny...

Misandoka ho mpanao gazety ireo jiolahy Fanendahana sy fandrobana

07/05/2019

Rehefa avy nifanenjehana teo amin’ny faritra Andraharo ireo jiolahy mpanendaka môtô dia nampiseho ny karatra maha mpiasa amin’ny fahitalavitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy.

Misandoka ho mpanao gazety ireo jiolahy Fanendahana sy fandrobana

Hamaky ny tohiny...

MPANAO KIDNAPPING MALAZA Tratra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy odigasy

06/05/2019

Noharatoin’ny zandary any anaty taksibrosy i Zaman’i Fola, ary nosakaina tany anaty kizo fieren-jiolahy kosa ireo zandriny sy tanan-kavanany miisa dimy.

MPANAO KIDNAPPING MALAZA Tratra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy odigasy

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

MAINTIRANO SY ANKAZOBE Nahazo vahana indray ny halatr’omby

07/02/2019

Omby miisa 52 tao Ambalasitra, Kaominina Betanatanana, Distrikan’i Maintirano no lasan’ny dahalo ny alatsinainy 4 febroary teo, tamin’ny telo tolakandro.

 

 

 

 Malaso valo mitam-padiana no tonga nandrahona sy nanafika atoandro teo an-toerana, araka ny loharanom-baovaon’ny Zandarimariam-pirenena avy eo Andrefan’Ambohijanahary ka tsy sahy niatrika ny mponina. Nony lasa kelikely ireo jiolahy, nampandre ny zandary ny teo an-tanàna. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary  sy ny andrimasom-pokonolona. Tsy lasa lavitra, tamin’io andro io ihany, fa voasakana teo amin’ny kizo Ankilimanarivo, Ambonara, Kaominin’i  Betanantanana ihany ireo tsy mataho-tody. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny zandary ka lavo tamin’izany ny roa tamin’ireo olo-dratsy fa nanjavona kosa ireo namany enina. Basy iray no tratra. Tafaverina soamantsara amin’ny tompony ny biby fiompy, tsy nisy naratra kosa ny mpitandro filaminana sy ny mponina mpanara-dia.

 Fihaonana

Tamin’io alin’ny 4 Febroary io ihany, araka ny fampitam-baovaon’ny Zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Ratsimandrava hatrany. Omby efatra no lasan’ny dahalo, mbola miisa valo hatrany  ny malaso ary nirongo fitaovam-piadiana ihany koa izy ireo. Torabato sy tifitra variraraka in-dimy nisesy ny tranon’ny tompon’omby ao amin’ny Fokontany Masindray Atsinanana, Kaominina Fihaonana, Ankazobe. Nahare izany ny zandary tany amin’ny an-toerana, niandry taty amin’ny kizon’i Mangarano Ambonirina, Kaominina Mahavelona, raikitra ny fifampitifirana, tsy nisy ny aina nafoy azo avokoa ny omby.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana