Dans la mme rubrique

Hala-jaza mateti-pitranga Mifono zava-miafina…

14/06/2019

Zaza dimy na enina isan’andro no manjavona amin’ny filazana « ombay mitady » amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, raha ny tatitra hita, araka ny loharanom-baovao iray (dépeche orange Madagascar) omaly.

Hala-jaza mateti-pitranga Mifono zava-miafina…

Hamaky ny tohiny...

Fanomezan-dra Ireo 20 % nanao hatramin’izay ihany no mazoto

14/06/2019

Tsy mety mitombo mihitsy hatreto ireo mpanome ra manerana ny Nosy. Ireo 20 % efa mpanome manerana ny Nosy ihany mantsy no manome ka tsy mety manana tahiry isika.

Fanomezan-dra Ireo 20 % nanao hatramin’izay ihany no mazoto

Hamaky ny tohiny...

Fetin’ny ray Maro ireo fanomezana azo hatolotra an’i Dada

14/06/2019

Hankalazaina amin’ny alahady 16 jona 2019 ho avy izao ny fetin’ny ray amin’ity taona 2019 ity. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny fetim-pirenena 26 jona.

Fetin’ny ray Maro ireo fanomezana azo hatolotra an’i Dada

Hamaky ny tohiny...

CNaPS tany Vatomandry 43 indray no nofanina momba ny fiahiana ara-tsosialy

13/06/2019

Miisa 43 ny mpampiasa sy mpiasa ao anatin’ny distrikan’i Vatomandry faritra Atsinanana nihaino sy nandray an-tsoratra ireo pitsopitsony momba ny lalàna mifehy ny asa.

CNaPS tany Vatomandry 43 indray no nofanina momba ny fiahiana ara-tsosialy

Hamaky ny tohiny...

Ambasadaoron’i Inde Mampirisika ny Malagasy hanao Yoga

13/06/2019

Ny 21 jona 2014 no daty voatendrin’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Yoga.

Ambasadaoron’i Inde Mampirisika ny Malagasy hanao Yoga

Hamaky ny tohiny...

Anosibe-Antananarivo Manjaka ny havoretrana sy tsy fifanajana

13/06/2019

Samy manao izay saim-pantany, ary toy ny tany tsy misy lalàna amina toerana maro eto an-drenivohitra, tahaka ny etsy Anosibe.

Anosibe-Antananarivo Manjaka ny havoretrana sy tsy fifanajana

Hamaky ny tohiny...

MAZAVAL RUN andiany fahatelo Hotanterahina ny 15 jona ho avy izao

13/06/2019

Hotanterahina amin’ny sabotsy 15 jona ho avy izao ilay hetsika Mazaval Run andiany fahatelo, karakarain’ny Okalou.

MAZAVAL RUN andiany fahatelo Hotanterahina ny 15 jona ho avy izao

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Ambanin’Ampamarinana Manahy ny ho very tany ireo afindra monina

07/02/2019

Mampiahotra ireo mponina hiala eny amin’ny faritry ny loza, Ambanin’Ampamarinana ny fananan’izy ireo, indrindra ny tany. «Atahoranay fa rehefa miala izahay ho lasan’ny olona ny taninay, indrindra ao anatin’iny faritra mena iny izay efa nalefa any amin’ny fokontany ny karne.

 Tokony halana ny vato  dia miverina izahay. Fa raha alana izahay dia tsy tany hanorenana fa trano no ilainay. Raha ilaozana koa ny entana, manahirana, satria tamin’ny alatsinainy izao efa alina vao tonga ny mpitandro ny filaminana. Raha taomina anefa telo alina Ariary ny indray mitatitra, ary tery ny  tranolay misy anay eto amin’ny INFP. Tsy fantatra koa hoe : “mandra-pahoviana izahay no eto amin’ny INFP, kianja mitafo ety  Mahamasina ?”, hoy ny raim-pianakaviana iray, Jaona Fabien Andriandrafimparany, izay nilaza ho mpitondra tenin’ny madinika.

Nomen’ny fitondrana mahefa ny talata teo, hatramin’ny anio alakamisy ireo mponina mba hisintaka ny faritra mena. Marihina moa fa lazain’izy ireo ho tampoka izany  ka nanatanteraka ny hetsika ho fanoherana izany ireo mponina, mbola nitohy omaly. Efa saika isan-taona amin’ny fahavaratra toy izao no nahitana fihotsahana, hoy izy ireo. Efa ela no nivory niangavy ny fitondrana  hanala ny vato mandondona ny mponina sy ny zavamaniry saingy tsy nisy nandray ny hetahetanay, araka ny filazan’ny mponina sasany izay nivory teny Ambanin’Ampamarinana sy Ankadilalana, omaly tolakandro.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana