Dans la mme rubrique

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

10 taona anio ny raharaha 7 febroary Tompon’antoka tsy afa-miala Rajoelina

07/02/2019

Feno 10 taona katroka anio ny raharaha 7 febroary 2009, nisian’ny ra mandriaka teny amin’ny Ambohitsorohitra rehefa nomen’i Andry Rajoelina sy ny ekipany toromarika hanani-dapa ny olona teo amin’ny 13 mey

 

 

fa hoe hametraka amin’ny toerany ny praiminisitra Monja Roindefo izay notendrena teny an-dalambe. I Marc Ravalomanana no nohelohin’ny fanjakana tetezamita ho mpandatsa-dra tamin’izany. Tsy afa-niala tamin’iny fanaovana sorona ny Malagasy sy ra mandriaka iny anefa ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina na inona na inona lazaina eto, satria izy no nitarika ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, nisoratena ho filoha ary nanendry praiminisitra. Tsy maintsy hadihadiana izy raha atao ny fitsarana tena tsy mitanila momba iny raharaha 7 febroary 2009 iny. “Halaintsika ny lapantsika”,izany no resaka niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’io andro io. Naroso ho faty ireo olona fa ireo mpitarika kosa tsy hita popoka tamin’io. Na ny fikambanana AV7 aza taty aoriana nizarazara tanteraka ka tao ny niaraka tamin’ny fanjakana HVM ary tao no niaraka tamin-dRajoelina. Tsy fantatra mazava hatramin’izao ny momba ny tifitra sy ny fandatsahan-dra, na dia nisy aza ny fitsarana kimaimaika nanamelohana olona. Ny toe-javatra iray mety hahafaha-milaza fa ny mpanongam-panjakana tamin’izany no tao ambadiky ny raharaha 7 febroary, dia voarakitra anaty horonantsary ny teti-dratsy sy ny fivoriana politika nataon’ireo mpanao politika niara-dia tamin-dRajoelina tamin’ireny fanonganam-panjakana 2009 ireny.  Notaterin’ny fandaharana «Reporters» vokarin’ny fahitalavitra Frantsay  France 24 tamin’ny alalan’ny mpanao gazetiny Virginie Herse sy i Cyril Vanier ny 24 martsa 2009 io horonantsary nikononkonina ra mandriaka io, mba hoenti-manasoketa an’i Marc Ravalomanana. Mivoitra sy voarakitra ao anatin’io horonantsary io ny tenin’izy ireo hoe : tsy maintsy manao «accusation» na fanamelohana an’i Marc Ravalomanana. «Lazaina, ohatra Ravalomanana dia “criminel” (mpamono olona) na koa Ravalomanana ‘traître’ (mpamadika tanindrazana)», hoy ny resak’ireo mpanao politika nentina nampahomby ny fanonganam-panjakana. Mpanao politika maro no nikaon-doha tao anatin’io fivoriana politika io toa an-dry Harinaivo Rasamoelina, Roland Ratsiraka, Augustin Andriamananoro, Haja Resampa, Georges Ruffin, Pierre Houlder, Alain Ramaroson, Cyrille Rasambozafy, Patrick Monibou, Ramakavelo Désiré Phillipe, Ny Hasina Andriamanjato, Lahiniriko Jean, Reboza Julien, Lieutenant-colonel Fidimalala, Lieutenant-colonel Sondrotalata,

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana