Dans la mme rubrique

“Kôpi Kôlé” sy “découverte” 2019 Lasan-dRa-Tin « Rossy » sy Mamiana

21/10/2019

Nikatona tamin’ny alalan’ny fampisehoana lehibe tao amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fifaninanana ara-java-kanto sy « Kôpi Kôlé » “Découverte” 2019,

“Kôpi Kôlé” sy “découverte” 2019 Lasan-dRa-Tin « Rossy » sy Mamiana

Hamaky ny tohiny...

Taom-baovao iraisan’ny Malagasy Hatao any Mahajanga ny andiany fahefatra

01/10/2019

Efa miomana amin’ny fandraisana ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy rehetra andiany fahefatra hotanterahina ao Mahajanga sahady ny solontenan’ny foko avy any an-toerana tonga niatrika ny andiany fahatelo notanterahina tany Toamasina farany teo.

Taom-baovao iraisan’ny Malagasy Hatao any Mahajanga ny andiany fahefatra

Hamaky ny tohiny...

Fihavanana Malagasy Hatao vakoka tsy hita maso

30/09/2019

Tapitra tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana fahatelo farany nataon’ny Komitin’ny Fampihavanam-Pirenena (CFM).

Fihavanana Malagasy Hatao vakoka tsy hita maso

Hamaky ny tohiny...

Taom-baovao Malagasy tany Toamasina Tapaka ny vato lehibe saika hatao tsangam-bato

23/09/2019

Ambohipihaonan’ny sokajin’olona samihafa eto amin’ny firenena ny tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo satria omaly 22 septambra no nankalazana ny Taom-baovao Malagasy iraisana.

Taom-baovao Malagasy tany Toamasina Tapaka ny vato lehibe saika hatao tsangam-bato

Hamaky ny tohiny...

Faha-30 taonan’ny Faribolana sandratra Nitombo avo 100 heny ny isan’ny mpikambana

18/09/2019

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha omaly ny ivon’ny fankalazana ny faha-30 taona nisian’ireo Poeta sy mpanoratra mikambana eo anivon’ny Faribolana sandratra.

Faha-30 taonan’ny Faribolana sandratra Nitombo avo 100 heny ny isan’ny mpikambana

Hamaky ny tohiny...

Zanaka ampielezan’i Fandriana Hitahiry ny asa soratra rehetra

16/09/2019

Maro be ny tantara mampalaza an’i faritr’i Fandriana. Na ny anaran’ny tanàna sy ireo mpanjaka nifandimby, ohatra, dia efa betsaka no azo tantaraina, hoy ny filoha nasionalin’ny Amicales des Natifs de Fisakana (ANF).

Zanaka ampielezan’i Fandriana Hitahiry ny asa soratra rehetra

Hamaky ny tohiny...

Teatra Ambatovinaky Feno 120 taona amin'ity taona 2019 ity Teatra Ambatovinaky Feno 120 taona amin'ity taona 2019 ity

13/09/2019

Ny 14 septambra 1899 no notokanana ny “Théâtre Municipal de Tananarive” izay fantatra tamin'ny hoe : Teatra Ambatovinaky. Ny “Opérette LA MASCOTTE” noforonin'i Edmond Audran tany amin'ny taona 1880 no nanokafana azy ka ny Tropy DURU ET CHIVOT no nisehatra ny tantara.

Teatra Ambatovinaky Feno 120 taona amin'ity taona 2019 ity Teatra Ambatovinaky Feno 120 taona amin'ity taona 2019 ity

Hamaky ny tohiny...


kolontsaina

Kitoatoa amin’ny fikitihana ny Rova “Mampianjera fitondrana sy mahafolaka an-datony”

07/02/2019

Ny 27 janoary taorian’ny fotoam-pivavahana nataon’ny Fiadidian’ny Repoblika notarihin’ny filoha sy ny teo anivon’ny governemanta no nilazan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa hatao izay hahavitan’ny Rovan’i Manjakamiadana hatramin’ny volana jona 2020.

 

 

 

Tsikaritra fa tsy hita teny an-toerana ireo taranak’andriana sy ny ampanjaka. Ny pasitera Tolotra Ratefy izay mpikambana ao anatin’ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara no anisan’ny nitarika ny fotoam-pivavahana teny Anatirova tamin’iny fotoana iny, hoy ny Prince Dr Ndriana Rabarioelina filohan’io fihombonam-be io tamin’ny fakana ny heviny momba ny fikitihana ny Rova. Ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo misy ny Lapan’i Manjakamiadana sy ireo lapa hafa rehetra dia tokony hatao tokoa, kanefa tokony hanaraka ny soatoavina sy ny kolontsaina Malagasy, hoy izy. Nahitsy ny tenany nilaza, fa tsy azo ataotao foana io, ary betsaka ny ota fady natao tamin’io toerana io, ka tsy azo ekena intsony ny manao zavatra tsy tokony hatao eny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana ireny afomanga ireny, izay tsy misy fifampiherana akory, raha ny nambarany. Raha hanao izany dia fanarenana ny Lapa no tokony hatao fa tsy fanavaozana. Haverina amin’ny nisy azy taloha, ka misy fepetra tsy maintsy arahina. Tsy izay fepetra avy amin’ny vazaha fa ny fepetra manaja ny soatoavina. Tamin’ny fananganana ny Lapa Manjakamiadana sy ireo hafa ao anatin’ny Rovan’Antananarivo, dia efa misy ny karazan’olona manamboatra azy. Ohatra amin’izany ny mahakasika ny hazo rehetra, izay iantsorohan’ny Andriantompoikoindrindra. Ny mikasika ny volafotsy dia ny Andriandranando, ny volamena dia ny Zanadralambo,… Misy zavatra mila arahina fa tsy atao kitoatoa ka hentitra izy nilaza fa mahafolaka an-datony ary mampianjera fitondrana ny fanaovana zavatra tsy mety amin’io Rovan’Antananarivo izay toerana masina io. Tsy maintsy ary mila miera amin’ny Fihombonamben’ny Apanjaka eto Madagasikara, hoy ity filohany ity hoe: ahoana ny fomba hanarenana an’io Rovan’Antananarivo io satria izahay no mitazona ny Lakile mikasika ny fanamboarana an’io, ka tsara ilay eritreritra fa tsy maintsy mifampiresaka aminay mba tsy hanaovana zavatra kitoatoa, hoy hatrany izy. Manoloana ny loza samihafa, dia tsy misy ny zavatra kisendrasendra fa matoa nihotsaka ny tany tamin’ny 19 janoary, dia nisy ota fady tao raha ny nambarany. Samy mandini-tena ny tsirairay.

Toky R

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana