Dans la mme rubrique

BILETA TOKANA

21/03/2019

Ahitana karazany telo ny bileta tokana ho ampiasaina amin’ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny Ceni. Na atao A 3 na A4 na A5 ny bileta tokana izay ho atonta manomboka amin’ny 26 marsa izao.

BILETA TOKANA

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN4

20/03/2019

Efatra no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny lalam-pirenena faha-efatra. 44 km hiditra an’ i Mahajanga ny marainan’ny omaly talata 19 martsa tokony tamin’ny 6ora maraina. Fiarakodia fitateram-bahoaka mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ity tra-doza ity. Marihina fa tsy nisy aina nafoy.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN4

Hamaky ny tohiny...

ZANDARY MATY AM-PERINASA

19/03/2019

Zandary iray indray no lavo am-perinasa. Tany Tsaratanàna raha nanara-dia dahalo no nisy tifitra tampoka avy ao anaty kizo nahazo ny zandary mpianatr’asa antsoina hoe Rakotomalala Dera Théogène, 25 taona ary mbola mpitovo.

ZANDARY MATY AM-PERINASA

Hamaky ny tohiny...

VAOVAO TSY MITOMBINA

19/03/2019

Asa na iza indray no manana tombontsoa sy maniraka olona hanaparitaka any anaty tambazotran-tserasera fesiboky amin’izao fotoana izao fa rononon’alika no hanamboarana ny ronono mandrimamin’ny orinasa Tiko ankehitriny.

VAOVAO TSY MITOMBINA

Hamaky ny tohiny...

FANODIKODINAM-BOLA TAO TOAMASINA

18/03/2019

Efa tonga any Toamasina ankehitriny ny sampan-draharahan’ny fanjakana izay mitady fanamarinana sy mitady porofo momba ny fanodikodinam-bola nataon’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany.

FANODIKODINAM-BOLA TAO TOAMASINA

Hamaky ny tohiny...

FAKANA AN-KERINY KANDIDA

15/03/2019

Taorian’ny kidnapping izay kandidà ho solombavam-bahoaka izay handeha hametraka dosie no lasibatra dia fantatra koa omaly fa nisy olona nosamborina rehefa voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’izany.

FAKANA AN-KERINY KANDIDA

Hamaky ny tohiny...

MPANAPAKA AN-KASAROTANA

15/03/2019

Eo am-pitadiavana fatratra ireo naman’ilay olon-dratsy izay mpanapaka filahiana ny mpitandro filaminana, raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

MPANAPAKA AN-KASAROTANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

AMBOHIMANGAKELY

31/01/2019

Raim-pianakaviana 52 taona no hita faty, ny talata 29 janoary teo, tamin’ny 7 ora maraina, tao anatin’ny tanimbary manamorona ny Tetezan’Andranovao, Ambohimangakely.

 Ny alahady 27 janoary izy no nilaza tamin’ny zanany fa andeha handro tao amin’ny reniranon’Ampasimbe, kanefa mamo. Rehefa avy nozahan’ny mpitsabo sy ny zandary teny an-toerana ny razana dia nomena ny fianakaviany izay monina ao Ambohitrombihavana, Ambohimangakely.

AMBOASARY ATSIMO

May ny tsena tao amin’ny fokontany sy kaominina ary distrika Amboasary Atsimo, omaly alarobia 30 janoary. Tsy mbola voafaritra ny entana kila forehitra. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Nanampy ireo mpivarotra namonjy ny entana sisa tsy may sy niaro tamin’ny halatra ireo zandary teo an-toerana. Tsy mbola fantatra hatreto ny fiavian’ny afo.

MANANJARY

Jiolahy mitam-piadiana  roa tamin’ireo fito nikotrika fanafihana mpandraharaha teratany Sinoa iray tany Kianjavato, Mananjary, ny alatsinainy 28 janoary, tamin’ny 6 ora hariva no azon’ny zandarimariam-pirenena sambo-belona tany an-toerana. Notanana ao amin’ny Borigadin’ny zandary ao Antsenavolo izy ireo, mbola mitohy ny fanadihadiana.

FAKANA AN-KERINY TSARATANANA

Tsy tanteraka ny  fakana takalon’aina nokotrehin’ireo olon-dratsy saika notanterahina tamin’ny vehivavy 28 taona, mbola tao amin’ny Distrikan’i Tsaratanana hatrany, fokontany Andranomaly, kaominina ambanivohitra Betrandraka, ny alahady 27 janoary farany teo, tamin’ny 10 ora alina. Noho ny fisafoana tampoka notanterahin’ny zandary tany an-toerana no nahavonjy ilay renim-pianakaviana. Fitaovam-piadiana “AKM” iray ombana bala efatra anaty fonony no tra-tehaka tamin’ireo malaso. Tsy nisy naratra ny mpitandro ny filaminana sy ny mponina fa iray tamin’ireo jiolahy no voatifitra.

HN

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana