Dans la mme rubrique

Barea miatrika CAN Nivavaka aho dia maty ny baolina, hoy ny filoha

25/06/2019

Rehefa niresaka baolina kitra isika, dia gisitra foana ny Malagasy. Tsy manana eritreritra mihitsy isika hoe manana ny toerana maha izy azy ny Malagasy.

Barea miatrika CAN Nivavaka aho dia maty ny baolina, hoy ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Body Perfect 2019 Nizarana 7,9 tapitrisa ariary ireo mendrika

25/06/2019

Notontosaina tao amin’ny kianja mitafon’Akorondrano tamin’ny alin’ny sabotsy 22 jona 2019 lasa teo ny fifaninanana Body Perfect 2019 nokarakarain’ny FMB « Federation Malgache de Bodybuilding ».

Body Perfect 2019 Nizarana 7,9 tapitrisa ariary ireo mendrika

Hamaky ny tohiny...

Basket FIBA AFRIQUE Fantatra ireo mpikambana hiara-kiasa amin’i Anibal Manave

25/06/2019

Notontosaina tany Bamako Mali tamin’ny sabotsy 22 sy alahady 23 jona 2019 teo ny kongresy faha-17 an’ny FIBA AFRIQUE “Association des Fédérations Africaines de Basket-ball”

Basket FIBA AFRIQUE Fantatra ireo mpikambana hiara-kiasa amin’i Anibal Manave

Hamaky ny tohiny...

Can Egypte 2019 Miditra an-tsehatra farany anio ny ao amin’ny vondrona F

25/06/2019

Ry zareo ao amin’ny vondrona F anio talata 25 jona, andro faha-5 eo amin’ny fanatanterahana ny CAN 2019 tontosaina any Egypte no hiditra an-tsehatra farany

Can Egypte 2019 Miditra an-tsehatra farany anio ny ao amin’ny vondrona F

Hamaky ny tohiny...

Nicolas Dupuis Hanova stratejia amin’ny fihaonan’ny Barea manaraka

25/06/2019

Hiova hafa mihitsy ny firafitry ny Barean’i Madagasikara amin’ny fihaonana amin’i Burundi ny 27 jona izao ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra atsy Ejipta,

Nicolas Dupuis Hanova stratejia amin’ny fihaonan’ny Barea manaraka

Hamaky ny tohiny...

Fandefasana mivantana ny CAN 2019 Azo arahina amin’ny Canal + indray ny TVM

24/06/2019

Mba ho fanomezana fahafam-po ny mpitia baolina kitra manerana ny nosy dia nanapa-kevitra ny hanambatra ny heriny ny ORTM sy CANAL +, ka azo arahana amin’ny TVM alefan'ny Canal + ireo lalao tafiditra amin’ny CAN 2019.

Fandefasana mivantana ny CAN 2019 Azo arahina amin’ny Canal + indray ny TVM

Hamaky ny tohiny...

Andrianantenaina Abel Anicet Mpilalao nahazo amboara voalohany any amin’ny CAN 2019

24/06/2019

Mpilalao nahazo amboara voalohany any amin’ny CAN Egypte 2019 ilay Malagasy Abel Anicet irakiraka ao amin’ny Barean’i Madagasikara milalao ao amin’ny klioban’ny Pcf any Bulgarie.

Andrianantenaina Abel Anicet Mpilalao nahazo amboara voalohany any amin’ny CAN 2019

Hamaky ny tohiny...


Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Tahina Razafinjoelina Faniriako ny hiroboroboan’ny fanatanjahantena Malagasy

26/01/2019

Hiverina indray manomboka izao ny pejy manokana ato amin’ny gazetintsika hitaterana an’ireo kintan’ny fanatanjahantena Malagasy rehefa somary niato kely nanomboka tamin’ny fiatrehana ny Mondial baolina kitra tamin’ny taon-dasa 2018 tany Rosia

 

 

. Nomem-boninahitra hisantatra izany ary amin’ity sabotsy 26 janoary 2019 ity ny filoha mpanorina ny vondron’orinasa Vidy Varotra, Tahina Razafinjoelina,  tompondakan’i Madagasikara 2018 teo amin’ny taranja rallye Malagasy. Tsy mahagaga, araka izany, ny nisaloran’ny  fiara Subaru Impreza n° 5 Classe M 12 an’io marika Vidy Varotra eny amin’ny fifaninanana handraisany anjara.

Hofantarintsika amin’ny resadresaka nifanaovana taminy ary ny manodidina an’ity kintan’ny fanatanjahantena Malagasy vahinintsika ity.

Tia Tanindrazana (T.T) : Oviana marina no nanomboka nanao rallye ianao tompoko ary iza no nampirisika anao hiditra amin’izany  ?

Tahina Razafinjoelina (T.R) : Tamin’ny taona 2010 aho no nanomboka nanao rallye. Nanomboka tamin’ny mpanamory mpanampy tamin’izany fotoana ary niaraka tamin’i  Anders “Andry Randriamanamihaja”.  CITROEN Ax no fiara nampiasainay tamin’izany. Tena azoko lazaina fa i Anders no nampiditra ahy tao anatin’ny tontolon’ny rallye ary isaorako azy manokana izany satria talohan’izay aho dia nihevitra foana hoe mitovy amin’ny mandeha mafy eny an-dalambe ny mandeha mafy amin’ny rallye, hay zavatra hafa mihitsy.

T.T : Azonao hazavaina ve izany maha zavatra hafa ny rallye izany ?

T.R : Voalohany aloha dia hadalana ny fandehanana mafy eny an-dalambe satria misy ain’olona maro miaraka lalaovinao amin’ny ainao. Raha sanatria misy loza, dia mety hanimba olon-kafa ianao. Faharoa dia tsy misy tsirony mihitsy ny handeha 200 km/h amin’ny arabe mihoatra ny fandehanana amin’ny rallye. Ny rallye dia misaoty, miderapy ary any anaty lalana tery dia tery sy lalan-tany no aleha amin’ny ankapobeny. Hafa mihitsy ny mandeha 180 na 200 km/h amin’ny rallye. Asaiko an-tanan-droa ireo izay maniry ny handeha mafy mba hiditra anatin’ny taranja fa manjary mahabe loza ny fandehanana mafy eny amin’ny arabe.

T.T : Ny vadinao ihany  matetika no manampy anao amin’ny rallye ataonao, misy antony manokana ve ?

T.R : Tamin’ny taona 2015 no nanomboka niaraka nanao rallye tamiko ny vadiko. Sendra tsy afaka i Tahiana “copilote” mpiaraka tamiko tamin’io fotoana io, dia izy no nanampy ahy. Nitana ny laharana faha-4 izahay mivady tamin’izay ary tany Boeny no nanaovana ny fifaninanana. Tena natahotra izy tamin’ny voalohany fa avy eo rehefa tafiditra tsara tamin’ny fifaninanana dia ny mampirisika ahy indray aza no nataony. Tena mila olona mifandray tsara ary mifampatoky ao anaty fiara  fa manjary tsy mahomby. Resaka segondra no hiadiavana amin’ny mpifaninana ary tena faran’izay ilaina ny torolalana ataon’ny mpamily mpanampy.

T.T : Izy 3 mirahavavy zanakao ve misy mankafy spaoro mekanika sa tsy manotrona anareo any amin’ny rallye fotsiny ?

T.R : Mankafy ary manohana daholo izy telo mirahavavy. Ary na ireo ray aman-dreninay mivady aza dia tena manohana anay tokoa, indrindra fa ny raiko manokana sy ireo iray mpiray tampo amiko. Ny zanako vavy dia mpifaninana amin’ny “Carting” ary mifaninana ho tompondakan’i Madagasikara ihany koa. Faha-4 izy tamin’ny taom- pilalaovana teo. Matetika izahay mianaka miara-mikotrana amin’ny Carting satria ny Carting koa dia anisan’ny spaoro mekanika tena tsara tokoa. Indrisy fa mbola vitsy isika no mahalala an’izany fa rehefa mijery fifaninanana Carting dia tena hita fa tena avo be ny fahasahian’ireo mpamilitsinka.

T.T :  Manao ahoana ny fijerinao ny haavo teknikan’ny spaoro mekanika Malagasy  mihoatra amin’ny any andafy sy atsy afrika ?

T.R : Raha oharina amin’ny Afrikanina aloha dia azo lazaina fa efa mitovitovy amin-dry zareo ihany isika. Porofon’izany ny fandresena in-droa sa in-telo azon’i Joda sy Rila tamin’ny fifaninanana nandraisan’izy ireo anjara tao Afrika. Nifaninana tamin’i Rautenbach izy tamin’izany, izay mpamily efa mpandray anjara amin’ny fifaninanana eran-tany dia ny WRC, fa tena tsy nitsanga-menatra isika Malagasy nanana azy ireo. Ankehitriny, manana ireo mpandimby “relève” isika. Eo i Rivo, Boana, Fredy sy ny sisa maro be. I Hugo koa tsy hadinoina izay nahazo vokatra tsara be tany Frantsa tamin’iny taona lasa iny.

T.T : Misy hetahetanao manokana ve eto am-pamaranana ?

T.R : Ny ahy izany ny tena faniriako dia ny mba hampiroborobo ny fanatanjahantena Malagasy. Ny tena mahavoa antsika dia mifampiandry ny mpijery sy ny vokatra. Ny mpijery malaina satria tsy misy ny vokatra. Ny vokatra koa anefa tsy eo satria tsy misy mpijery. Ny mpijery no ahafahan’ny mpanao fanatanjahantena ho matihanina amin’izay ataony. Izay no ahafahany mifantoka tanteraka amin’ny spaoro. Raha tsy mahavelona ny spaoro, dia tsy maintsy mitady fivelomana hafa ny sportifa Malagasy satria ny fiainana dia tena efa sarotra be. Porofon’izany dia rehefa mijery ireo lalao baolina kitra any ampita isika, eny fa na irony diviziona ambany irony, dia feno foana ny mpijery. Ary ny azy dia am-bolana maro dia efa feno ny famandrihan-toerana. 

Mankasitraka ny gazety tia tanindrazana tamin’ny fanasana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana