Dans la mme rubrique

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

20/06/2019

Any amin’ny paroasin’ny fiangonana katolika akaiky no misoratra anarana ireo rehetra hanatrika ny Sorona masina hotarihin’ny

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala

19/06/2019

Mbola hiakatra CODIS indray ny 21 jona izao ilay mpisolovava tsy navela hiasa 2 taona,

Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

18/06/2019

Fatim-behivavy tokony ho eo amin’ny 18-20 taona eo no hitan’ny fokonolona teo amin’ny

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

Hamaky ny tohiny...

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

HAFARATRA HO AN’NY MINISITRY NY RAHARAHAM-BAHINY

26/01/2019

Avy hatrany dia nandefa hafatra tany amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny vaovao ny havan’i Ando.

 



 Io farany ilay tovovavy tsy hita faty tsy hita velona efa ho herinandro maromaro izao. Tsy misy mandraharaha firy anefa eto an-toerana ary ny fitondrana dia tsy misy fanampiana ara-diplomatika mihitsy mba hanentanana ny manampahefana frantsay hijery akaiky ity fahaverezana tovovavy ity.

VOAOLANA NY VEHIVAVY REHETRA TAO AN-TRANO

Habibiana tsy roa aman-tany no niseho tetsy Ambohijanaka. Izany dia mahakasika ny fanolanana ny vehivavy rehetra izay tao amin’ilay tokantrano. Fanafihana mitam-basy no nitranga ary rehefa azo ny vola sy ny kojakoja hafa izay nilain’ireo jiolahy dia nivadika tamin’ny fanolanana amin’izay. Fito lahy mitazona kalachnikov ny tompon’antoka ary vola mitentina iray tapitrisa mahery no lasa nandritry ny fanafihana. Ambohijanaka koa dia matetika hiverenan’ny jiolahy ary amin’ny dimy ora hariva dia efa maty tanteraka ny tanàna noho ny horohoron’ny mponina eny. 

FANAFIHANA TENY AMBOHIDRATRIMO

Jiolahy miisa fito mitondra basim-borona sy sabatra no nandroba tetsy Anosiala Ambohidratrimo. Lasa ny vola mitentina 200.000 ariary ary koa finday miisa dimy. Mba tsy nisy ny aina nafoy na koa ny naratra satria tsy nisy namaly ny tao an-trano raha vao nahita ireo fitaovam-piadiana teny an-tanànan’ireo olon-dratsy. Anisan’ny faritra mena eto an-drenivohitra ankehitriny Ambohidratrimo sy ny manodidina azy. Misy fanafihana mitam-piadiana hatrany isan-kerinandro.

LASA FANARARAOTANA

 Lasa fanararaotan’ireo tsy misy asa ny fahatapahan’ny lalana etsy 67ha afovoany. Misy ny manisy vato hahafahan’ny fiara avo mihetsika ary koa ny moto sasantsasany. Handoavam-bola anefa izany. Raha tsiahivina, noho ny fahavakisan’ny fantson-drano iray an’ny Jirama no antony nahatonga ny ranobe sy ny lavaka be. Goaka tanteraka ny lalana ary na ireny sprinter avobe ireny aza tafalatsaka teo afovoany ka tsy afa-nikisaka. Ny Jirama anefa eo akaiky eo ihany no misy azy. 

MIADY AN-TRANO NY MAPAR

 Efa manomboka hita taratra sahady ny ady an-trano eo amin’ny samy Mapar ankehitriny. Na tsy nibaribary aza dia efa tsikaritra ny ady mangatsiaka avy amin’ny fihetsiky ny minisitra an’io antoko io izay nesorina. Nampiandrasany efa adim-pamantaranandro iray mahery ny minisitra vaovao voatendry omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany etsy Tsimbazaza. Efa harivariva mihitsy vao raikitra ny famindram-pahefana ary dia niandry ela teo ny rehetra vao tonga ny minisitra teo aloha. 

MIANKINA AMIN’NY MINISITRY NY FITSARANA

 Miankina amin’ny minisitry ny fitsaràna vaovao ny momba an-dry Mbola Rajaonah sy ny olony ary ireo mpitari-tolona teny amin’ny 13 mey. Zara raha nisy dimy minitra dia vita ny fihainoana azy ireo teny amin’ny fampanoavana omaly dia afaka nody indray. Miankina amin’ny famakian’ny minisitra vaovao ny dosie no hitohizan’ny raharaham-pitsaràna na tsia. Miantona aloha izany ny momba ity fanenjehana ity. Mampiahiahy ny olona voakasika anefa satria tsy fantatra izay mety ho tohiny.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana