Dans la mme rubrique

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

31/05/2019

Nanamafy indray ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy (Cemgam) ny jeneraly Rakotonirina Theophile fa tena mila foanana ny dahalo ambony latabatra fa ireo no tena mahatonga ny ady amin’ny asan-dahalo ho sarotra amin’izao fotoana.

Halatra omby sy fandrobana Mandray 50 000 ariary isan’andro ny dahalo iray

Hamaky ny tohiny...

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

13/05/2019

Ny sabotsy 04 mey 2019 tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina dia renim-pianakaviana iray, 32 taona, monina eny amin’ny faritra 67Ha

Halatra entana mitentina 13 tapitrisa Ariary Nidoboka am-ponja ilay mpanampy sy ny sakaizany

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

09/05/2019

Akanjo toy ny olon-drehetra mba tsy hisy hahafantaran’ny jiolahy azy no anaovan’ny mpitandro ny filaminana, efa ho roa herinandro izay hijokoana ireo jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy eny amin’ny faritra mavaivay.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Rakotra polisy manao fanamiana sivily ny faritra mena

Hamaky ny tohiny...

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy

08/05/2019

Nanamafy omaly talata 7 mey ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Leon Rakotonirina fa manana hatramin’ny 20 jona 2019 ho avy izao ireo olona manana fitaovam-piadiana tsy misy taratasy ara-dalàna mba hanatitra ny azy eny amin’ny mpitandro ny filaminana.

Basy tsy ara-dalàna Amin’ny 20 jona no fe-potoana hanaterana azy

Hamaky ny tohiny...

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

08/05/2019

Mpanendaka sy mpanao herisetra enin-dahy sy vehivavy iray mpivarotra halatra no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny kaomisaria etsy Ambohijatovo, nanomboka ny sabotsy 4 mey teo.

“La Haute Ville” Tra-tehaky ny polisy ireo mpanendaka mpizahatany

Hamaky ny tohiny...

Misandoka ho mpanao gazety ireo jiolahy Fanendahana sy fandrobana

07/05/2019

Rehefa avy nifanenjehana teo amin’ny faritra Andraharo ireo jiolahy mpanendaka môtô dia nampiseho ny karatra maha mpiasa amin’ny fahitalavitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy.

Misandoka ho mpanao gazety ireo jiolahy Fanendahana sy fandrobana

Hamaky ny tohiny...

MPANAO KIDNAPPING MALAZA Tratra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy odigasy

06/05/2019

Noharatoin’ny zandary any anaty taksibrosy i Zaman’i Fola, ary nosakaina tany anaty kizo fieren-jiolahy kosa ireo zandriny sy tanan-kavanany miisa dimy.

MPANAO KIDNAPPING MALAZA Tratra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy odigasy

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Seranan-tsambon’i Toamasina Mitentina 600 tapitrisa ariary ireo rongony tratra

26/01/2019

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany momba ilay raharaha rongony mahery vaika tratra tao anatin’ny sambo MSC Lucia miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ireo tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana, ahitana ny ladoany

 

, ny zandary sy ny polisy miasa eo anivon’ny seranana ary ny “capitainerie” an’ny seranan-tsambon’i Toamasina misahana ny fampidirana sy famoahana ireo sambo tonga sy hiala ao Toamasina. Raha ny fanazavan’izy ireo, fonosana telo milanja 3 kilao sy 138 grama izy ireto. Tombanana ho 600 tapitrisa ariary ny vidiny raha alaina amin’ilay 200.000-300.000 ariary ny grama hamarotana azy eto amintsika. Tao amin’ny “pont”-n’ny sambo sy tamina “palette” misy entana alefa any Maorisy ary tany anaty lakalin’ny sambo no nahitana azy ireo nandritra ny fisavana. Rongony avy any Pakistan sy ny faritra manodidina azy no niaviany izay ampidirina an-tsokosoko amin’ireo entana hafaran’i Madagasikara any amin’ireo firenena ireo izay tena nahazo vahana nanomboka ny taona 2012 no ho mankaty, indrindra ny enta-madinika ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Raha ny angom-baovao natao dia tsy maintsy nisy firaisana tsikombakomba tamin’ireo tantsambo entin’ity sambo MSC Lucia nahatrarana azy ity ny fampidirana ny rongony tao anaty sambo. Tsy sambany izao fanondranana an-tsokosoko rongony “heroine” ataon’ny sambo MSC izao. Efa nanao toy izao koa ny sambo “Cailas” ny 10 janoary teo saingy ny fahatongavany tao Maorisy no nahatrarana azy. Nilanja 4 kilao sy 200 grama izy io. Vokatr’izao firoborobon’ny fanondranana rongony mahery vaika amin’ny alalan’ny sambo izao, nanamafy ny fiaraha-miasany ny ladoany Malagasy sy Maorisianina ka misy ny laharana maitso amin’ny ladoany ahafahan’ny olona miantso, dia ny larahana 034 30 810 10 no antsoina izay miasa 24ora amin’ny 24ora sy amin’ny 7 andro sy 7 andro ihany koa.

 

 

 

Rakoutou

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana