Dans la mme rubrique

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kaominina Ivato Nahazo fokontany 7 vaovao

25/01/2019

Nisy ny fangatahan’ny mponina ny amin’ny hananana fokontany vaovao satria lehibe loatra ny fokontanin’ny tobin-tseranam-piaramanidina Ivato teo aloha izay iray tao anatin’ny kaominina.

 

 Nahavelon-taraina sy tena manahirana ny mponina ny fikarakarana taratasy, indrindra mahakasika ny lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ireny. Araka izany dia nangataka ny mponina mba hatao fokontany ireo faritra 7. Rehefa izay dia nandefa ny fangatahana teny anivon’ny fitondram-panjakana ny ben’ny tanànan’Ivato ary nivaly ka nivoaka ankehitriny ny didim-panjakana mamaritra fa misy fokontany 7 vaovao ao anatin’ny kaominina Ivato. Raha atotaly dia miisa 13 amin’izao ny fokontany ao anatin’ny kaominina Ivato ary efa voatendry tamin’ity herinandro ity daholo ny lehiben’ny fokontany miaraka amin’ireo lefitra. Efa hita soritra ihany koa ny hametrahana ireo toerana asiana ireo fokontany vaovao ireo ary efa am-pikarakarana ny entana sy ny kojakoja ampiasaina amin’izany ny kaominina sy ireo tompon’andraikitra rehetra. Ny andraikitra maika indrindra hiantsorohan’ireo fokontany ireo dia ny fanamboarana sy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana noho ny fitarainana marobe  ary azo hiomanana tsara, hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Manitra Andrianjakarivony noho ny fanemorana ny fifidianana izay tokony hatao ny 20 martsa ho avy izao. Ambonin’izany ihany koa ny fanakaikezana kokoa ny mponina sy ny fitsinjovana azy ireo ny amin’ny fikarakarana taratasy ataony.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana