Dans la mme rubrique

TANIM-PANJAKANA

16/01/2020

Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly fa antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teoanivon’ny

TANIM-PANJAKANA

Hamaky ny tohiny...

MBOLA NIFETY IHANY

13/01/2020

Na dia efa nilaza aza ny fanjakana fa tsy hisy ny fetin'ny fankalazana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, misy amin'ny sampan-draraharaha ao amin'ny fitondrana maro ihany no manao fety.

MBOLA NIFETY IHANY

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

10/01/2020

Valo lahy mitazona basy marovava na kalachnikov no nanafika ny toeram-pivarotana enta-madinika iray tetsy Ambohijanaka.

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

Hamaky ny tohiny...

TRATRA IREO MPAMAKY TSENA

07/01/2020

Nahomby ny mpiambin’Anosibe omaly tamin’ny asany. Teo am-pamakiana tsena ny telo lahy no saron’izy ireo.

TRATRA IREO MPAMAKY TSENA

Hamaky ny tohiny...

RINDRINA NIHOTSAKA NAMONO OLONA

03/01/2020

Dimy no maty teto an-drenivohitra tamin’ny taom-baovao. Ny efatra tamin’ireo dia ankohonana iray tetsy Ambohidrapeto.

RINDRINA NIHOTSAKA NAMONO OLONA

Hamaky ny tohiny...

ROMBO TENY AMBOHIMIANDRA

21/11/2019

Raikitra ny rombo tetsy Ambohimiandra teo amin’ny mpamily taksibe sy ny mpandeha.

ROMBO TENY AMBOHIMIANDRA

Hamaky ny tohiny...

VONO OLONA TENY IMERINTSIATOSIKA

20/11/2019

Anio no hanomboka ny fitsaràna ilay raharaha famonoana ho faty tamin'ny fomba feno habibiana ireo telo mianaka tao Imerintsiatosika.

VONO OLONA TENY IMERINTSIATOSIKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FAKANA AN-KERINY

11/01/2019

Mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy ala no nisy naka an-keriny tany Isoanala, distrika Betroka. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy mba ho solon’ny ainy.

 Naloa ny vola ary dia avotra soa aman-tsara ny ain’ilay mpiasam-panjakana. Nilaza ny zandary fa tsy nahalàla ny zava-nitranga raha tsy taorian’ny fandoavana ny vola avy amin’ny fianakaviany. Ity izany no kidnapping voalohany izay nitranga teto amin’ny firenena. Lasa fanaon’ny olon-dratsy tanteraka izany ary na ny dahalo mpangalatr’omby aza dia lasa mahay izany raha heloka bevava mpitranga teto Antananarivo fotsiny izany teo aloha. 

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

 Raikitra indray ny fitohanan’ny fifamoivozana manerana an’Antananarivo. Herinandro voalohan’ny taona ihany izany no mba nilamindamina dia efa miraikitra indray etsy sy eroa. Mitaraina ireo fiara fitateram-bahoaka ary mangataka ny mba hangalàna fepetra maika satria mihena atsasamanila ny mba tombony kely tokony hidtira amin’izy ireo. Na ny lalam-baovao izay vao vita vao haingana aza dia efa feno fitohanana koa. Midika izany fa tsy voatery ho ny fanaovana fotodrafitr’asa hatrany no mampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana fa kosa ny fanitsiana ny toe-tsain’ny mpampiasa fiara. 

LISI-PIFIDIANANA

Hofaranana vonjimaika amin’ny 28 febroary izao ny lisi-pifidianana izay eny anivon’ny fokontany. Efa tamin’ny 1 desambra izany no nisokatra ary tokony ho tapitra ny 15 febroary saingy  nohalavaina. Vitsy dia vitsy ny olona izay tonga teny amin’ny fokontany ary nanamarina ny anarany na koa nanitsy ny diso. Hatreto dia ny lisi-pifidianana teo aloha ihany hoy ny CENI no hampiasaina amin’izay fifidiana izay manaraka eo. Mbola ahiana hatrany izany ny hala-bato amin’ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna izay hatao amin’ity taona ity satria tsy mba nisy fanintsiana mihitsy ny lisi-pifidianana izay efa fototry ny olona tamin’ny fifidianana farany teo. 

 

 

FITARAINANA VOARAIN’NY POLISY

 Miisa 48 ny fitarainana vokatry ny fanendahana izay tonga teo anivon’ny polisy tamin’ny volana desambra eto fotsiny. Efa betsaka izany kanefa mbola tsy izy rehetra aza satria betsaka koa no tsy mitory satria efa kivy ny amin’izay mety ho tohin’ny raharaha izay matetika dia tsy misy vokany akory. Ny tena betsaka amin’ny fanatontosana ireo asaratsy dia ny zaza tsy ampy taona. Ireo koa dia tsy voatazona ela am-ponja noho ny fisian’ny sampan mpiahy ny zon’olombelona, indrindra fa ny tsy ampy taona, hany ka lasa manararaotra manao asaratsy. 

PRAIMINISITRA VAOVAO

Amin'ny 19 janoary ihany dia ho fantatra ny praiminisitra voalohan’ny fitondràna Andry Rajoelina. Mandritra ny lanonana fihanianana etsy Mahamasina no hahafantarana ny olona hitantana ny governemanta. Raha ny feo mandeha,i Fienena Richard, minisitry ny angovo teo aloha no mety hotendrena praiministra. Efa mandeha sahady ny ady boaty etsy sy eroa satria betsaka tamin’ireo mpanohana azy no mitady io toerana io. Hanomboka amin’io daty voatondro etsy ambony io izany dia efa hisy sahady ny hivadika satria tsy nahazo toerana, raha araka ny kajikajy politika amin’izao. 

ZANDARY MATY

Balan’ny zandary ihany no nahafaty ny zandary izay namoy aina tato ho ato rehefa nifanehatra tamin’ny dahalo. Nohazavain’ny sekretera jeneralin’ny zandarimaria izany ary nomarihany fa bala very tao amin’ny toerana fanofanana ho zandary tany Ambositra izany. Efa nidoboka am-ponja ny tompon’andraikitra tamin’ny famoahana ireo fitaovam-piadiana saingy misy mitady hamoaka sahady ankehitriny. Tsy hanaiky hatramin’ny farany izany fikasàna izany ny zandary raha ark any nambaran’ny SEG ary manara-maso akaiky ny raharaha, miaraka amin’ny fitsaràna. 

ALIKA VERY

Valisoa mitentina 10 taptrisa ariary no homen’ny vazaha iray antsoina hoe Mirela Groth ny olona izay mahita ny alikany “chien de salon”. Napetrany tamin’ny hopitalin’alika iray teto an-drenivohitra izy io talohan’ny nandehanany nanao fetin’ny faran’ny taona tany an-dafy. Rehefa niverina anefa dia efa tsy tao intsony ilay alike ary nolazaina fa very. Tezitra mafy ny tompony satria nandoavany volabe ny fampitazomana io biby io tamin’ilay toerana. Nanapa-kevitra izy ny nanao antso avo mba ho fitadiavana ny alikany ary koa hanome volabe ho an’izay mahita izany

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana