Dans la mme rubrique

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

17/01/2020

Maro ny mpanara-baovao miandry amin`izay mety ho firafitry ny mpikambana eo anivon`ny governemanta.

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

17/01/2020

Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

Hamaky ny tohiny...

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

17/01/2020

Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

17/01/2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

17/01/2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

Hamaky ny tohiny...

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

17/01/2020

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

17/01/2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ben’ny tanàna tsy nanohana an-dRajoelina Hosoloina PDS avokoa ?

11/01/2019

Notohizan’ny fanjakana ny fampiatoana ny Ben’ny tanànan’i Befandriana Avaratra Johah Parfait Prezaraly. Ny 15 janoary 2019 no tokony ho tapitra ny fampiatoana iray volana amin’ny asa maha Ben’ny tanàna azy,

 

 kanefa dia namoahan’ny fanjakana didim-pitondrana vaovao nosoniavin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, manitatra telo volana vaovao indray io fampiatoana azy amin’ny asany io. Tsara ny manamarika fa lany tamin’ny anaran’ny HVM izy ka na tsy tapitra aza ny fotoana mampiato azy amin’ny asany dia nihazakazahana ny fanitarana izany. Ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna no miandraikitra feno ny asany mandritra izany ary miantoka sy manara-maso ny fampiharana io didy io ny Prefen’Antsohihy sy ny Lehiben’ny distrikan’i Befandriana Avaratra.  Ny 8 janoary teo, raha ny fampitam-baovao dia noresahin’ny Radio Fréquence Menabe (RFM) ao Morondava an’ny Depiote MAPAR Hawel Mamod’Ali fa hosoloina PDS izay Ben’ny tanàna tsy niara-dia tamin’izy ireo nampandany an’i Andry Rajoelina. Hizotra amin’ny fanamafisan-toerana ve i Andry Rajoelina, ka ireo tsy mpiara-dia dia hosoloina an-terisetra ? Voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana ara-demokratika ny ben’ny tanàna, ary mbola manana fe-potoam-piasana herintaona mahery eo satria tamin’ny taona 2015 ny fifidianana, ary amin’ny 2020 no tapitra. Misy ny sasany no efa manomboka misarizoro sy mitady lalana tsy fidiny any amin’ny MAPAR mba tsy hikitihana azy amin’ny toerany. Maro amin’izao no manahy ny mety ho antsojay hanoloana azy ireo noho ny safidy politikany tamin’ny fifidianana. Tena hiroso amin’izany sa hanitsakitsaka ny safidim-bahoaka ve ny fanjakana Rajoelina ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana