Dans la mme rubrique

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

17/07/2019

Noheverina fa tsy hisy intsony ny sakantsakana mahakasika ny fanoherana eto Madagasikara ka hisy amin`izay ny fifandanjan-kery eto amintsika.

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

17/07/2019

Anisan’ny andrim-panjakana iankinan’ny aim-pirenena ny antenimieram-pirenena.

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

Hamaky ny tohiny...

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

17/07/2019

Nidina an-dalambe ny mponina tao amin`ny distrikan`i Mahabo mba hangataka amin’ny fitondram-panjakana hijery ny depiote voafidy tany aminy dia Raveloson Ludovic dit Leva Sydney.

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

Hamaky ny tohiny...

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

17/07/2019

Lany ho filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana omaly.

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

Hamaky ny tohiny...

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

17/07/2019

Ny lalàna misy momba ny satan’ny mpanohitra sy Lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera dia tsy mbola misy didy fampiharana, ka tompon’andraikitra tanteraka ny governemanta amin’ny famoahana an’io.

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

17/07/2019

Tena mbola ao anatin’ny fianarana demokrasia sy repoblika isika izao, hoy ny mpanao politika, Dany Rakotoson. Antony dia matetika afangarontsika sy lasa bontolo ny adihevitra.

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

Hamaky ny tohiny...

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

17/07/2019

Tsy mbola miditra amin`ny fanolorana ny anaran`ny praiminisitra ny vondrona IRDA amin`izao. Mandeha miandalana ny zavatra rehetra, hoy ny fanehoan-kevitra sasany.

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Afaka ireo 7 nosamborina Miandry fitsarana ry Mbola Rajaonah, Rolly, Fidèle,…

11/01/2019

Afaka noho ny fisalasalana ireo olona 6 tamin’ireo 7 nosamborina ny 5 janoary lasa teo noho ny tolona ho an’ny fahamarinana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey.

 

 

 

Ny iray kosa no nahazo sazy herintaona sazy mihantona, araka ny didim-pitsarana omaly. Tetsy an-kilany, namoahan’ny minisitry ny atitany Razafimahefa Tianarivelo avy amin’ny MAPAR didy tsy fahafahana mivoaka ivelan’i Madagasikara na IST i Mbola Rajaonah, Harry Laurent Rahajason, Fidèle Razarapiera ary Faniry Ernaivo ny talata 8 janoary fotoana namoahana ny valim-pifidianana ofisialy. Tsara ny manamarika fa efa notorian’ny Primatiora koa ry Hanitra Razafimanantsoa, James Ratsima, Fernand Cello ary Ninie Donia. Ny resaka fitakiana ny fahamarinana teny amin’ny 13 mey, izay nilazana azy ireo ho manohintohina ny filaminana sy ny fiandrianan’ny firenena no anton’ny fanenjehana. Matoa ny olona hamoahana ireny dia atahorana hitsoaka any ivelany noho ny raharaha hanenjehana azy. Ny 9 janoary teo dia nampanantsoina teny amin’ny Toby Ratsimandrava Atoa Mbola Rajaonah sy Rolly Mercia ary efa natao fanadihadiana ihany koa ny mpanao gazety Fernand Cello. Omaly ihany koa no tonga niatrika ny fanadihadiana azy i James Ratsima sy Ninie Donia. Hohenjehina sy hopotehin’ny fanjakana Rajoelina hatramin’ny farany ve izany izy ireo noho safidy politikany ? Tsara ny mampahatsiahy fa tsy vao izao ny fifanolanana teo amin-dry Rolly Mercia sy Fidèle Razarapiera an-daniny ary Rajoelina sy ny ekipany an-kilany, fa nanomboka tamin’ny fisarahana ka nisafidianan’ireto farany niara-dia tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Nitohy tamin’ny fifanomezan-tanana tamin’i Marc Ravalomanana taty aoriana. Hizotra mankany amin’ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra dieny ety am-piandohana izany Rajoelina mba ho fampitahorana ny hafa ? Ny fampahalalam-baovao akaiky an-dRajoelina rahateo dia efa milaza fa manantontanona azy ireo ny varavaran’i Tsiafahy. Andrasana ny fampitan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha eny amin’ny fitsarana ahitana ny tohiny.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana