Dans la męme rubrique

TIA VONINAHITRA

18/01/2019

Tia voninahitra loatra ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao. Na efa anio aza ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha vaovao no hatao,

TIA VONINAHITRA

Hamaky ny tohiny...

BOLOKIM-BAZAHA

17/01/2019

Efa hita tokoa fa bolokim-bazaha ny filoha vaovao Andry Rajoelina na dia niezaka ny nanafina izany aza tamin'ny filazana fa tsy hiankina ara-bola amin'ny

BOLOKIM-BAZAHA

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra malagasy

17/01/2019

Mpianatra Malagasy monina any frantsa antsoina hoe Andotiana Randriamampianina, 23 taona, mirefy 1m58 no tsy hita popoka nanomboka ny 9 janoary teo. Mitaintaina fatratra mikasika ny momba azy ankehitriny ny raiamandreniny sy ny fianakaviany ary manao antsoavo amin’izay mahafantatra azy rehetra manerana izao tontolo izao mba hampandre rehefa misy vaovao.

Mpianatra malagasy

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

POLISY MENDRIKA

10/01/2019

Sambany mba nanao fihetsika mendri-piderana ireo polisy. Nahavariana ireo mponina teo Anosy ny nahita polisy efatra mirahalahy nanamboatra ny lalana goaka manoloana ny boriborintany. Asa raha baiko na fandavantena fa izy ireo mihitsy no nandray borety sy nanampina ny lavaka

 

 

 

 

 

TIFITIFITRA TANY MAHITSY

 

Raikitra ny tifitifitra ao amin’ny fokontanin’Antongombato, ao Mahitsy. Notafihan’ny jiolahy miisa dimy izay mitam-basy ny tokantrano iray ary tsy nisalasala ireo nitifitra ny raim-pianakaviana izay voa teo amin’ny tratrany sy ny sofiny. Miady amin’ny fahafatesana io ankehitriny ao amin’ny hopitaly Bejofo. Tonga ara-potoana ny zandary ary dia mbola nifampitifitra tamin’ireo jiolahy. Tafaporitsaka tao anatin’ny haizina anefa izy ireo. Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy. 

MPITANDRO NY FILAMINANA MATY

 

Mpitandro ny filaminana miisa 24 no maty tamin’ny taona 2018. Niady tamin’ny dahalo avokoa no nahafaty an’ireo ka ny zandary no tena betsaka namoy aina. Niisa 18 izy ireo raha enina kosa ny miaramila. Ny telo volana faran’ny taona no tena nifanesy ny fahafatesan’ny zandary am-perinasa ka tany amin’ny faritra Atsimo sy Menabe no tena nisy fifanandrinana betsaka tamin’ny dahalo izay nitarika ny fahafatesan’izy ireo. 

VAZAHA MPISOLOKY

 

Voasambotra ilay vazaha mampiasa ny anaran’ny mpanjifa ny banky BMOI. Angalariny ny kaontin’ny mpanjifa sasany dia ampiasainy ny karatry ny banky. Avy amin’ireny GAB ireny no hangalany ny vola. Nisy maromaro efa nahazoany izany ny kaontiny saingy efa naverin’ny banky ny volan’ireo izay lasibatra. Efa mandeha ny fanadihadiana ity teratany vahiny ity ankehitriny. Mpanjifa maromaro no efa lasibany tamin’ny asa ratsiny. 

FIANIANAN-DRAJOELINA

 

Hotontosaina ny 19 janoary ny lanonana fianianana hataon’ny filoha vaovao Andry Rajoelina. Tsy hiandry ela fa vao vita izany dia hanendry avy hatrany ny praiminisitra ho an’ny governemanta vaovao i Andry Rajoelina. Efa mandeha ny fifampiresahana eny amin'ny antenimiera momba ny fanendrena praiministra. Eo dia efa hananosarotra satria hatreto dia mbola ireo depiote izay ao anatin’ny vondron’ny prezida teo aloha no maro an’isa ao Tsimbazaza. 

ASAN-DAHALO TANY MALAIMBANDY

 

Olona efatra indray no matin’ny dahalo tany Malaimbandy. Miisa 50 ireo olon-dratsy no nanafika tao amin’ny kaominina Androtsy ary sady nitifitra no nikapa tamin’ny famaky ireo olona tao an-tanàna. Miisa 16 ny basim-borona izay nampiasain’ireo ary mbola niampy sabatra sy lefona. Tezitra sady mihorohoro ny olona any an-toerana ankehitriny satria mihoatra ny loha loatra ny ataon’ireto olon-dratsy izay samy mpiray tanindrazana ihany. 

ASAN-DAHALO TAO MAEVATANANA

 

Ny olona indray no nisambotra no nanao fanadihadiana tao Maevatanàna. Izany dia nandritry ny asan-dahalo izay nitranga tao amin’ny fokontany Marokoro. Dahalo am-polony maro no nanafika saingy efa nivonona ny fokonolona ary nihemotra ihany ireo rehefa nandeha ny fifampitifirana. Nisy iray izay azo sambo-belona ka io no nanaovan’ny olona fanadihadiana ary nanoro ny namany roa. Naterina teny amin’ny zandary ireo dahalo telo lahy fa mba tsy novonoina.

TAKSIBROSY NIVADIKA

 

 Tokony ho tamin’ny telo ora maraina omaly no nivarina tany anaty hantsana ny fiara taksibrosy iray avy aty an-drenivohitra hihazo an’i Mahajanga, izany hoe teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Zandary iray no namoy ny ainy ary mpandeha 13 naratra mafy tao anatin’ilay lozam-pifamoivoizana izay nitranga teo amin’ny fokontany Besiramamy. Zandary izay mpanaraka mba hiadiana amin’ny mpanakan-dalana ilay namoy ny ainy.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana