Dans la mme rubrique

Ady amin’ny kitrotro Zaza 7 tapitrisa no hovitaina vaksiny

16/01/2019

Notanterahina teo anivon’ny Primatiora teny Mahazoarivo omaly 15 janoary ny fivoriana mikasika ny valanaretina Kitrotro izay notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian,

Ady amin’ny kitrotro Zaza 7 tapitrisa no hovitaina vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Fahasalaman’ny tanora Mbola ambany ny tahan’ny fampiasana fandrindram-piterahana

16/01/2019

Ny 37%-n’ny ankizivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona eto amintsika dia efa niteraka 1 avokoa na mitoe-jaza. Antontan’isa vokatry ny fanadihadiana nataon’ny INSTAT tamin’ny taona 2012 – 2013 io.

Fahasalaman’ny tanora Mbola ambany ny tahan’ny fampiasana fandrindram-piterahana

Hamaky ny tohiny...

Dia an-tongotra voalanjalanja Tena mahasalama sy misoroka aretina

15/01/2019

Anisan’ny misoroka aretina maro ny fanaovana dia an-tongotra isan’andro. Anisan’ireny ny aretina diabeta izay mamono olona marobe tokoa maneran-tany, ny hatavezana diso tafahoatra, ny aretin’ny tosidra …

Dia an-tongotra voalanjalanja Tena mahasalama sy misoroka aretina

Hamaky ny tohiny...

Aretim-pivalalana Mirongatra indray

08/01/2019

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika ankehitriny.

Aretim-pivalalana Mirongatra indray

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny kitrotro Hisy ny fanaovam-baksiny faobe ato ho ato

07/01/2019

Raha miha mahazo vahana ny resa-politika eto amintsika dia misoko mangina tsy mamela mahazo ihany koa ny aretina kitrotro.

Ady amin’ny kitrotro Hisy ny fanaovam-baksiny faobe ato ho ato

Hamaky ny tohiny...

Aretina diabeta Ela velona kokoa ireo voany raha mahay mitaiza vatana

17/12/2018

Na dia anisan’ny aretina mahavoa olona betsaka aza ny aretina diabeta maneran-tany dia fantatra kosa fa ela velona kokoa ireo voany raha mahay mitaiza vatana.

Aretina diabeta Ela velona kokoa ireo voany raha mahay mitaiza vatana

Hamaky ny tohiny...

Hafanana be loatra eto an-drenivohitra Mila manao akanjo maivana sy misotro rano

12/12/2018

Mihamafana hatrany ny andro eto an-drenivohitra ankehitriny. Efa tafakatra hatrany amin’ny 35 °C mihitsy izany amin’ny antoandro manomboka amin’ny 11 ora iny ka hatramin’ny 2 ora tolakandro indraindray ka mila tsy ho zaka.

Hafanana be loatra eto an-drenivohitra Mila manao akanjo maivana sy misotro rano

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Kitrotro miparitaka any amin’ny faritra Zaza am-bolana tsy vita vaksiny no tena lasibatra

10/01/2019

Nitondra fanazavana mikasika ireo ankizy marobe lasibatry ny kitrotro any amin’ny faritra ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka omaly. Anisan’izany ny any Ambatoboeny, Toamasina, Mahajanga ary ny etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo Faritra Analamanga.

 

 

 

 Nambaran-dRatsimbarison Arsene, sekretera jeneraly eo anivon’ny  minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka  fa  zaza 9 ka hatramin’ny 11 volana ny ankamaroan’ireo lasibatry ny kitrotro sady tsy vita vaksiny avokoa ny ankabeazany.  Eo an-danin’izay dia efa voa mafy ireo ankizy vao entin’ireo ray aman-dreniny manatona tobim-pitsaboana ka manano sarotra ny fandraisana an-tanana azy. Mba tsy hitaran’ny aretina ary  dia  tsy maintsy hanatanteraka ilay hetsika fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny kitrotro   ho an’ireo ankizy 9 volana ka hatramin’ny sivy taona ity minisitera iray ity manomboka ny 14 janoary ho avy izao. Haharitra 6 andro izany ka ny 95 %-n’ireo  zaza manerana ireo distrika 25 hita fa faritra mena  manerana ny Nosy no ezahina hovitaina. Ankoatra ny tobim-pahasalamana moa dia fantatra fa  ahitana ivontoerana fanaovam-baksiny iadiana amin’ny kitrotro ihany koa ny eny anivon’ny fokontany hanalana fahasahiranana ny besinimaro. Ho an’ireo efa vita vaksiny dia nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa tsy misy ny olana na averina indray aza hahafahana mampitombo ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana. Mikasika ny fikisahan’ny aretina any amin’ireo faritra misy ranomasina kosa dia fantatra fa efa manao fanadihadiana miaraka amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro sy ny  institut pasteur ary ny oniversiten’i Oxford ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’izao ahitana ny tena marina.Tsara ho marihana fa miisa 19 863 ankehitriny no voan’ny aretina kitrotro manerana an’i Madagasikara

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana