Dans la męme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiainam-pirenena Misy lesona azo raisina …

10/01/2019

Betsaka ny zavatra voalaza fa tokony hotontosaina tao anatin`ireny fampielezan-kevitra ireny ary navadika ho programan`asa ka hirariana sy takiana mba tsy ho kobaka am-bava intsony satria tsy mendrika izany intsony ny Malagasy.

 

 

 

Mba hotanterahina tokoa amin`ny famoahana ny vahoaka Malagasy anatin`ny fahantrana. Mila jerena akaiky ny resaka sakafo, zavatra ampiasaina amin`ny andavanandron`ny vahoaka, indrindra ny kolikoly ary fametrahana filaminana eto amin`ny firenena. Ny famerenana an-tsakany sy an-davany ny filaminam-bahoaka, indrindra ny fampitoviana ny fampizarana ny harem-pirenena mba hampitovy tantana ny olona rehetra no tokony himasoana satria be loatra ny elanelan`ny manankarena vitsy sy ny mahantra maro an`isa. Faharoa, tokony hisokatra amin`ny fananganana ny ekipa vaovao hitondra ny tany sy firenena na ny governemanta na amin`ny sehatra maro samihafa. Hisokatra amin`ny ankolafin-kery hafa ve ny Filoha vaovao mba ahafahana mihaino ny hafa izay manan-jo hohenoina sy hitantana ny ampahan`ny firenena ? Tokony hahay hisafidy tsara izay olona vonona hiara-kiasa aminy akaiky izy satria amin`ny maha filoha azy dia izy no mitantana fa ny mpiara-miasa sady ahitan`ny vahoaka ny sary amin`ny fitondrana ary ireo no tena hanantanteraka ny baiko sy ny vina izay napetraky ny Filoha vaovao. Amin`ny lafiny politika, mazava ny apetraky ny lalàmpanorenana fa misy ny mpitarika ho mpanohitra (statut de l`opposition). Manan-jo hivondrona izy io ary hajain`ny lalàmpanorenana. Tsy tokony hosakanana ihany koa ny fahefana mitsikera, fahefana maneho hevitra sy ny fahefana mitondra ny anjara birikiny amin`ny fitantanam-pirenena satria izay no ahafahana manitsy izay tsy nety teo aloha. Andrasana fatratra ny fanombohan`ny “100 andro amin`ny fitantanana” (100 jours de grace) izay fetrandro ahafahan`ny filoha vaovao hanombohana ny asa. Tsy manan-jo hanao fahadisoana izy satria tsy maintsy hihazakazaka hitondra fanovana mandona ao anatin`ny fotoana fohy, indrindra eo anivon`ny sosialim-bahoaka (action coup de poing).

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana