Dans la mme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

INSTAT Hangataka ny lalàna mifehy ny statistika

10/01/2019

Mba hahafahana mandrindra ny sehatra rehetra ary mamoaka antontanisa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena dia tsara ny mampihatra ny lalàna momba ny statistika.

 

 

 

 Didy fampiharana telo (3) no hangatahin`ny   ny Ivontoerana nasionaly misahana ny antontan'isa (INSTAT) amin`ny fitondram-panjakana amin`ity taona 2019 ity, hoy ny tale jeneraly lefitry ny INSTAT, Ndremitsara Tarzan. Ny didy voalohany dia miompana amin`ny lalàna mifehy ny statistika. Mila mangataka “visa statistique ” ny amin`ny fomba fiasa ampiasiana mba hahafahana mamaritra izany sy mamoaka vokatra tena izy.  Ny didy fampiharana faharoa angatahina ihany koa ny fananganana ny  “Conseil national de la statistique » izay manana andraikitra lehibe ato amin`ny  INSTAT sy ireo mpampiasa antontan`isa rehetra.  Raha misy mamoaka statistika diso dia mety hahavoasazy izay mitentina 100 000 Ariary hatramin`ny 800 000 Ariary. Ny didy fahatelo dia mba hahafahana manao ireo asa ankalalahana. Nomarihan’ity tale lefitra ity fa raha matanjaka ny firenena iray dia matanjaka ny statistika ary miara-mivoatra aminy ihany koa ny INSTAT. Ankoatra izay, azo lazaina fa fahombiazana ny taona 2018 na dia nikorontana aza ny tany sy ny firenena, hoy i Ndremitsara Tarzan, satria vita ny fanisana ny mponina RGPH3 eo amin`ny lafiny ara-teknika. Tapitra ihany koa ny fanadihadiana EPC, izay fandrefesana ny kalitaon`ny fanisana ny mponina. Ny taona 2018 ihany koa no nanaovana ny fanadihadiana eo amin`ny resaka fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Ny tatitra amin`ny ampahany no azo atao saingy tsy isa no angatahina amin`io satria maro ireo sehatra toy ny fahantrana, fahasalamana…. Miandry ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny famoahana ny tatitra ofisialy mahakasika ireo fanadihadiana hafa fa hotombanana amin`ny faran`ny taona izany, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana