Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoham-pirenena vaovao Ireo dingana hotanterahina vao afaka miasa

10/01/2019

Nitondra fanazavana mahakasika ny dingana tokony harahin’ny filoham-pirenena vaovao ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza. Voalohany, tsy maintsy hirosoana ny fianianana ampahibemaso amin’ny fomba manetriketrika.

Mandritra io fotoana io no hametrahana ny samboady amin’ny maha filoham-pirenena azy izay ary hanaovany fianianana ampahibemaso izay hotarihan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Manomboka eo vao afaka miasa ary mihatra ny hoe “chef supreme des forces armées”. Nilaza ity mpahay lalàna ity fa ny lalàmpanorenana dia mamaritra fa ny filoham-pirenena teo aloha izay nametra-pialana no manao fifamindram-pahefana amin’ny filoha vaovao miditra fa tsy miaraka ny filoham-panjakana izay filoham-pirenena mpisolo toerana. Voalaza ao amin’ny and 54 ao anatin’ny lalàmpanorenana fa tsy maintsy manolotra ny anaran’izay olona hotendrena ho lehiben’ny governemanta izay avy amin’ny antoko na fikambanana antoko  manana solombavambahoaka maro an’isa ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nomarihin’i Imbiky Herilaza kosa fa tsy maintsy atao mialoha ny 06 febroary 2019 izay fe-potoana fahataperan’ny fotoam-piasan’ireo depiote ireo. Rehefa vita sy voatendry ny lehiben’ny governemanta dia ity farany no manolotra izay mpikambana handrafitra izany. Rehefa vita ireo pitsopitsony ireo dia afaka manomboka ny asany ny filoham-pirenena vaovao.



Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana