Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Tsy maintsy mitraka isika

10/01/2019

Niseho voalohany tamin’ny mpiara-dia sy nampivory ireo lohandohan’ny mpisorona tetsy amin’ny foiben-toeran’ny K25 Bel’Air i Marc Ravalomanana omaly alarobia, taorian’ny didin’ny HCC.

 

 

 Tsy tokony ho kivy fa misy fotoana ny zava-drehetra, mila vonona foana isika hitady ny fahamarinana, hoy ny filoha Ravalomanana. Nitohy tamin’ny fanambarana ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, indrindra fa ireo izay nifidy azy sy nametraka fitokisana taminy tamin’ny alalan’ny onjam-peo sy fahitalavitra izy. Misaotra indrindra, misaotra betsaka, hoy izy. Misaotra an’Andriamanitra fa dia nitantana sy nivimbina antsika izy, ka nahatanterahantsika sy nahavitantsika soa aman-tsara iny fifidianana iny.  Nivoaka ny didy navoakan’ny HCC, izay nanambara fa Atoa Andry Rajoelina no lany ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ka miarahaba azy ny tenako ary mirary soa sy fahombiazana mandrakariva amin’ny adidy sy andraikitra izay iandraiketany. Nitety faritra maro izy ary nahita ireo zavatra manjo sy mihatra amin’ny vahoaka Malagasy 92% tena sahirana izy ireo, tena mila fanampiana izy ireo, ary mila fijerena manokana, ka hoy aho aminareo hoe : tsy maintsy mitraka isika, tsy maintsy mifampahery isika, ka misaotra betsaka tamin’ny fampaherezana izay nataonareo fa voaraiko avokoa izy ireny ary izaho ihany koa mampahery anareo, hoy ny hafatra miantefa amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka. Homba antsika mandrakariva Andriamanitra, hoy izy, ary napetratsika aminy ny hoavin’ny firenentsika, ka dia mahatoky sy mino aho fa tsy hahasaraka antsika izy. Te hiteny aho, te hilaza aho hoe: atsahatra amin’izay ireo fanenjehana sy fanaratsiana ary ny fisamborana, ilaina ny famoahana ireo olona tsy manan-tsiny any am-ponja, hoy ny hafatra nataony ho an’ny mpitondra fanjakana. Fotoana tokony hirosoantsika amin’ny fampihavanana, fifankatiavana, firaisankina izao mba hahafahantsika miatrika ny fampandrosoana ara-toekarena an’ity firenena malalantsika ity. Manantena aho ary mino fa raha mbola misy foana ny farany tsy ho foana akory ny fanantenana. Teo am-pamaranana dia mbola namerina ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao 2019 izy. Ho taona hahafantsika hahita ny rariny anie ity taona ity ary hahatsapantsika fa tsy maintsy hiroso mandrakariva amin’ny fiainana sahaza azy ny Malagasy tsirairay avy ary tsy hotakonan’ny hafa ny anjara masoandron’ny tsirairay. Mino sy manantena aho ary mahatoky fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra. Mametraka ny firariantsoa ho antsika Malagasy ny tenako, hoy izy. Maro no tsy nahatana ny fihetseham-pony tamin’ny teny feno fahendrena nataon’i Dada, izay mampitamberina ny ezaka sy ny fanantenana niboiboika. Na izao aza ny zava-misy dia nampahery ny rehetra izy tsy ho kivy ary nirary fihatsaram-piainana ho an’ny isam-batan’olona.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana