Dans la męme rubrique

Miverina indray ny taloha !

18/01/2019

Hanana fahefana feno manomboka anio ireo mpitondra nanana ny tantarany tsy dia tsara tamin’ny firenena tany amin’ny 10 taona lasa.

Miverina indray ny taloha !

Hamaky ny tohiny...

Mila fisokafana !

17/01/2019

« Izao tontolo izao dia masoko sy sofiko avokoa », hoy ny Ombalahibemaso na ny mpanjaka Andrianampoinimerina.

Mila fisokafana !

Hamaky ny tohiny...

Aleo handeha hotazanina e !

16/01/2019

Maro izay fampanantenana natao izay. Tsy vitsy izay fampanofinofisana nakana ny fon’ny vahoaka izay.

Aleo handeha hotazanina e !

Hamaky ny tohiny...

Na samy resy na samy handresy !

15/01/2019

“Tsy resy akory ny resy raha noresen’ny mpampandresy fa ny tena mpandresy dia izay mahay resy raha toa ka tena resy”, hoy ilay mpandinika raharaham-pirenena iray izay.

Na samy resy na samy handresy !

Hamaky ny tohiny...

An-tsisin-tosy …

14/01/2019

Miteraka adihevitra goavana ho an’ny mpanara-baovao sy any anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy amin’izao ny momba ilay fianianan’ny filoha tsy hisy fotoam-pivavahana, tsy hisy fampiasana baiboly.

An-tsisin-tosy …

Hamaky ny tohiny...

Miandry fahagagana

12/01/2019

fito andro katroka sisa dia handray ny fahefany amin’ny fomba manetriketrika ny filoham-pirenena vaovao.

Miandry fahagagana

Hamaky ny tohiny...

Alahelom-bahoaka no ilafihana !

11/01/2019

Fa inona ihany no tiana hahatongavana eto amin’ity firenena ity e ? Efa nanaiky sy nilefitra ny kandida an-kilany tamin’ny fifidianana, ary efa nitsodrano ilay ambara fa lany na azo iadian-kevitra aza ny fahalaniana.

Alahelom-bahoaka no ilafihana !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Mbola mitoetra ny ahiahy

10/01/2019

Mandritry ny herinandro raha kely indrindra, dia ny mikasika ny filoham-pirenena vaovao foana no resaka eny amin’ny fiarahamonina sy tambajotran-tserasera eny, raha politika no resahana.

Ny mpankasitraka hilaza fa nahazo filoham-pirenena vaovao lanim-bahoaka na lanin’ny maro an’isa isika. Ireo tsy mankasitraka dia ao ny hilaza fa didy tsy azo hivalozana iny ka ekena na dia tsy fidiny aza. Tsy folaka fa milefitra, hoy ny mpamakafaka sasany, ilay kandida nanaiky ho resy. Efa hatramin’ny fiandohan’ny fikarakarana ny voka-pifidianana ka hatramin’izao kosa anefa dia voambolana roa nalaza sy inoana fa tsy ho afaka an-dohan’ireo nanaraka ny raharaham-pirenena ny teny hoe « hosoka » sy « fahamarinana ». Tsy afaka ny hijery azy toy ny filoham-pirenena aho, hoy ny mpanao politika iray, satria hosoka no nahalany azy. Lany ho filoham-pirenena tokoa ve sa nolaniana ? Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no efa niteny fa tsy nisy azo noraisina ireo fitarainana sy fitoriana ary hatramina lalàna avy any ampita izay tsy antsika aza nampiasaina nentina nanamarinana izany. Na dia niharihary aza fa tsy nifandanja ny herijika nentina nanatontosa fampielezan-kevitra tany am-piandohana ary tsy voara-maso ny fandanian’ilay kandida iray dia nolazaina fa tsy naninona ihany. Azo raisina fa tsy mitombina moa no voambolana nalaza tamin’ireny. Nolavina mihitsy kosa ny tamin’ilay farany teo na dia efa nampivarahontsana aza ny nahita ireo halatra marobe nirentirenty tamin’ny tambajotran-tserasera sy efa naseho ampahibemaso tamin’ny fahitalavitra lehibe teny. Saingy sahy nilaza ireo rafitra napetraka hikarakara ny fifidianana fa nangarahara indrindra tamin’izay nandalo rehetra izy iny ka dia izay izany. Lanim-bahoaka, hono, ny filoha vaovao. Antsasa-manilan’ireo 48% tonga nifidy no azy ary mbola misy ny ahiahy tsy misinda. Lany sa nolaniana ?

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana