Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Jean Jacques Ratsietison « Tokony handray andraikitra i Rivo Rakotovao »

10/01/2019

Tontosa ratsy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena, hoy ny kandida Jean Jacques Ratsietison.

 

 

 

 Nisy « délits de justices » be na fandikan-dalàna iny fifidianana fihodinana voalohany sy faharoa iny satria dia fitoriana an-jatony maro nolavina daholo. Rehefa tsy hita intsony izay holazaina dia hatramin’ny « jurisprudence » any Frantsa no alain-tahaka atao eto Madagasikara. Tena mampihomehy, hoy ny tenany. Ny tena loza dia ny resaka bileta tsy misy laharana na “numero de série” dia lazaina fa tamin’ny taona 2015 tamin’ny nanao kaominaly. Dia naninona tamin’ny taona 2018 no nasiana lalàna milaza fa tokony hisy laharana ireo biletà mba hampanankery azy ? Tamin’ny fihodinana voalohany aza niteny ny filohan’ny HCC hoe tsy hisy ny hosoka amin’ity satria misy laharana ireo bileta. Midika izany fa zava-dehibe ny fisian’iny. Io resaka io fotsiny dia efa antony tokony hanafoanana ny fifidianana. Tsy manaiky ny valim-pifidianana aho ary tsy mijery an’i Andry ho toy ny filoham-pirenena satria lany tamin’ny hosoka. Mila mandray andraikitra i Rivo Rakotovao satria “jurisprudence” tsy eto no noraisina. Diso ny filazan’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa fa tsy manana fahefana amin’ny maha filoham-pirenena azy i Rivo Rakotovao. Ny lalàmpanorenana no manome fahefana azy rehefa misy ny “carence de pouvoir”. Dikan’izany dia izy no filoha faratampon’ny foloalindahy. Manam-pahefana hiteny ny HCC izy hoe tsy nanara-dalàna iny. Rehefa nisy ny fandikana ny andininy faha-120 ao amin’ny lalàna fehizoro 2018 – 008 hoe tsy nisy laharana ireo bileta tokana dia tokony hiteny izy hoe hampiharo ny lalàna. Na ny HCC aza tokony hiala amin’ny toerany. Ny praiminisitra indray ve izany izao no filoha faratampon’ny foloalindahy ? Tsy mitombina ny teny hoe “tsy azo ivalozana” rehefa mitranga ny tsy ara-dalàna.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana