Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiandraketana ny fifidianana ho avy Mbola azo antoka ve ny CENI sy ny HCC ?

10/01/2019

Nanamora ny hosoka tamin’ny fifidianana ny Vaomieram-pirenena mikarakara ny fifidianana (CENI), ary nanadio izany no azo handikana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), raha dinihina tamin’ny valim-pifidianana farany teo.

 

 

 Ny fahendren’ny kandida Marc Ravalomanana nanaiky nilefitra nanana ny rariny no nampilamina ny firenena, fa raha ny fahatsapan’ny olom-pirenena sy ny fahitany ny hosoka mety efa nikorontana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nolavina ankitsirano ireo fitoriana rehetra na efa hita nibaribary aza ny karazan-javatra feno hosoka sy fanovana ny safidim-bahoaka. Tsy nivaona tamin’ny vokatra navoakan’ny CENI ny an’ny HCC tamin’ny fifidianana filoha. Ny lesona azo tsoahina dia toa hadalana ny an’izay kandida tsy nangalatra sy nanao hosoka fa na inona na inona fitoriana eo dia toa efa mazava ny ho valiny. Efa hita izao ve fa nihoatra ny 100% ny taham-pandraisana, mihoatra ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ny isan’ny vato, izany hoe: nisy vato marobe nasisika tao anaty birao fandatsaham-bato dia mbola madio ihany ary tsy mitombina ny fitoriana ? Mbola mendrika homena fitokisana hisahana ny fifidianana ho avy ve ny CENI sy ny HCC ankehitriny ?   Tsy efa midika ve izao fa hadalan’izay tsy te hanao hosoka sy hangala-bato amin’ny fifidianana fa malalaka ny fomba rehetra hahafaha-mibata fandresena ? Fampianaran-dratsy ireny ka tsy atao mahagaga raha samy hanao izay saim-pantany ny mpanao hosoka satria ho zary fiarovan-tena ny fampahatsiahivana ny zava-niseho tamin’ny fifidianana teo. Maro amin’ny olom-pirenena no kivy amin’izao ary efa misy ny mandrovitra kara-pifidianana satria tsy ilaina, hoy izy ireo ny fifidianana raha ho tahaka izao foana. Tsy manana fitokisana ny hisian’ny fifidianana madio intsony ka asa amin’ny fomba ahoana no hanarenana izany?

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana