Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Serge Zafimahova Nankasitraka an-dRavalo, nitsodrano an-dRajoelina

09/01/2019

Tamin’ny anaran’ny ekipa rehetra nandrindra ny fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana no nanehoany hevitra manoloana ny famoahan’ny HCC ny valim-pifidianana ofisialy omaly. Nisaotra

 

 

  ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ny fitokisana lehibe nomena azy ity mpandrindra ankampobeny ny fampielezan-keviny ity. Tsy ho vitako ny hanadino fa hoe: ny kandida Marc Ravalomanana no nitondra sy nivoy hevitry ny Pr Zafy Albert amin’ny fampihavanam-pirenena, ny fitsinjaram-pahefana tena izy,… hoy izy. Nisy ny fifanarahana sy antontan-kevitra nosoniavina mitondra ny lohateny hoe: « Convention pour la Réconciliation, la Croissance, le Développement et la Gouvernance » nifanaovana ny 21 oktobra 2018, mba hanohizana ny vinan’ny Pr Zafy Ray fototry ny demokrasia, ary sahaza ny sokajin’olona rehetra ny fampandrosoana noheverina hoentina, ka niaraha-nisalahy tao anatin’ny K25 ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana. Nisongadina ihany koa, hoy izy, ny hoe: mpifahavalo teo aloha no nivondrona mba hiaro ny tombotsoa iraisana ary ny firafitry ny delegasionin’ny kandida Ravalomanana tamin’ireny adihevitra tamin’ny fahitalavitra ireny, dia nanome endrika goavana sy mafy ny fampielezan-kevitra. Nampahatsiahy izy fa nanao lalao madio sy nanaraka ny lalàna mba ho mariky ny tena demokrasia. Tena henatra ho an’ny Repoblika ny mpikamban’ny CENI sy ny HCC kanefa raha toa ka tsy hanaja ny fenitra ambany indrindra mahakasika ny lalàmpanorenana, dia vao maika hitondra ny firenena any anaty fahapotehana tanteraka, raha ny nambarany. Tsy misy azoko atao afatsy ny mitsodrano ny mitsodrano ny filoha, izay nambara tamin’ny fomba ofisialy fa voafidy ho filoha dia i Andry Rajoelina, hoy i Serge Zafimahova. Andriamanitra anie hitantana anao ho amin’ny fahendrena amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana Malagasy mandritra ny fe-potoam-piasana, hoy izy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana