Dans la mme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Misora-panambadiana in-droa tsy vita divorsa Mampigadra dimy taona mahery

09/01/2019

Manomboka mihamaro ireo olona mitady hisora-panambadiana in-droa eto amintsika amin’izao nefa tsy vita “divorce” na fisarahana ara-dalàna tamin’ny vadiny voalohany akory.

 

 

 

 

  Kaominina iray teto  amin’ny Faritra Analamanga  no nitrangan’izany tapa-bolana  lasa izay. Lehilahy iray  efa nandao ny  vady aman-janany  nandritra ny taona maro no nipoitra tampoka ary nikasa hampakatra vehivavy iray hafa. Efa niteraka efatra  io lehilahy io raha ny loharanom-baovao azo ary vita soratra ara-dalàna tamin’ilay vadiny voalohany.  Tsy nipetra-potsiny anefa ity farany fa niezaka ny nanara-maso io vadiny  io  ka teny amin’ny kaominina no nanenjehany azy nandritra ny fotoana saika hanatanterahana ilay fisoratam-panambadiana. Nentiny niaraka taminy ireo zaza efatra   naterany ka niseho ny marina. Nanda ny fanoratana ireo mpivady ilay Ramatoa tena tompony nandritra ny fotoana nametrahan’ny tompon’andraikitra fanontaniana tamin’ireo mpanotrona ka rava maina ny raharaha. Raha ny fanadihadiana natao dia tokony homarihina hatrany ao anatin’ny kopia mari-pahaterahan’ny olona iray ny fanamarinana na efa nisora-panambadiana izy na tsia. Ny kaominina nanaovany ilay fisoratana no mandefa izany any amin’ilay kaominina nahaterahany amin’ny alalan’ny paositra. Somary elaela anefa ny fahatongavan’ny taratasy amin’ny ankapobeny, indrindra raha lavitra ny toerana nahaterahan’ilay olona, antony  mahavoafitaka ireo tompon’andraikitry ny kaominina sasany. Mampigadra hatrany amin’ny dimy taona mahery ny fanaovana fisoratam-panambadiana in-droa, indrindra ho an’ireo tsy mbola vita fisarahana ara-dalàna ka tokony hitandrina ny tsirairay. Raha  mahavita divorsa ara-dalàna kosa rehefa misaraka amin’ny olona iray dia azony atao ny misora-panambadiana hatrany na dia im-polo aza.

 

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana