Dans la mme rubrique

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

17/07/2019

Noheverina fa tsy hisy intsony ny sakantsakana mahakasika ny fanoherana eto Madagasikara ka hisy amin`izay ny fifandanjan-kery eto amintsika.

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

17/07/2019

Anisan’ny andrim-panjakana iankinan’ny aim-pirenena ny antenimieram-pirenena.

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

Hamaky ny tohiny...

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

17/07/2019

Nidina an-dalambe ny mponina tao amin`ny distrikan`i Mahabo mba hangataka amin’ny fitondram-panjakana hijery ny depiote voafidy tany aminy dia Raveloson Ludovic dit Leva Sydney.

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

Hamaky ny tohiny...

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

17/07/2019

Lany ho filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana omaly.

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

Hamaky ny tohiny...

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

17/07/2019

Ny lalàna misy momba ny satan’ny mpanohitra sy Lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera dia tsy mbola misy didy fampiharana, ka tompon’andraikitra tanteraka ny governemanta amin’ny famoahana an’io.

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

17/07/2019

Tena mbola ao anatin’ny fianarana demokrasia sy repoblika isika izao, hoy ny mpanao politika, Dany Rakotoson. Antony dia matetika afangarontsika sy lasa bontolo ny adihevitra.

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

Hamaky ny tohiny...

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

17/07/2019

Tsy mbola miditra amin`ny fanolorana ny anaran`ny praiminisitra ny vondrona IRDA amin`izao. Mandeha miandalana ny zavatra rehetra, hoy ny fanehoan-kevitra sasany.

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ekipan-dRavalomanana sy Rajoelina Samy nolazaina ho nitory tsy nisy porofo

09/01/2019

Toy ny tamin’ny fihodinana voalohany ihany dia nolavina avokoa ny fitoriana mikasika ny tsy fahadiovan’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 19 desambra 2018 teo.

Nahavatra naka ohatra tamin’ny lalàna frantsay mihitsy ny teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mba nentina nanamarinana izany. Mampametra-panontaniana sahady ny tena dikan’ilay tenin’ny filohan’ity andrim-panjakana ity na dia efa nohazavainy aza izay nilaza, raha tsiahivina, hoe “ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny fanjakana Malagasy very sy novonoina ary nofafana tamin’ny fanjanahantany.” Fanambarana izay toa nifanipaka tamin’ny zava-nitranga omaly mihitsy, indrindra taorian’ny nandrenesana iny fakana ohatra tamin’ny lalan-dry zareo avy nanjanaka antsika iny. Samy nolazaina ho nitory tsy nisy porofo avokoa moa ny ekipan’ireo kandida roa na ny avy amin-dRavalomanana na ny avy amin-dRajoelina.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana