Dans la mme rubrique

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

17/07/2019

Noheverina fa tsy hisy intsony ny sakantsakana mahakasika ny fanoherana eto Madagasikara ka hisy amin`izay ny fifandanjan-kery eto amintsika.

Minisitry ny atitany “Miandry kely aloha ny fampiharana ilay satan’ny mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

17/07/2019

Anisan’ny andrim-panjakana iankinan’ny aim-pirenena ny antenimieram-pirenena.

Depiote Dr Fiarovana Lovanirina “Mila hatsaraina ny lalàna momba ny fahasalamana”

Hamaky ny tohiny...

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

17/07/2019

Nidina an-dalambe ny mponina tao amin`ny distrikan`i Mahabo mba hangataka amin’ny fitondram-panjakana hijery ny depiote voafidy tany aminy dia Raveloson Ludovic dit Leva Sydney.

Distrikan` i Mahabo Mangataka ny fijerena ny solombavambahoakany

Hamaky ny tohiny...

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

17/07/2019

Lany ho filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana omaly.

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa

Hamaky ny tohiny...

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

17/07/2019

Ny lalàna misy momba ny satan’ny mpanohitra sy Lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera dia tsy mbola misy didy fampiharana, ka tompon’andraikitra tanteraka ny governemanta amin’ny famoahana an’io.

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

17/07/2019

Tena mbola ao anatin’ny fianarana demokrasia sy repoblika isika izao, hoy ny mpanao politika, Dany Rakotoson. Antony dia matetika afangarontsika sy lasa bontolo ny adihevitra.

Madagasikara Lasa fisolelahana ny fanaovana politika

Hamaky ny tohiny...

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

17/07/2019

Tsy mbola miditra amin`ny fanolorana ny anaran`ny praiminisitra ny vondrona IRDA amin`izao. Mandeha miandalana ny zavatra rehetra, hoy ny fanehoan-kevitra sasany.

Vondrona IRD Tsy maika hanendry praiminisitra

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Filoha Miandry ireo fampanantenany ny vahoaka

09/01/2019

Nivoaka ny didy tsy azo hivalozana! Nizotra tamin’ny làlan’ny efa nizoran’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ny dian’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny didim-pitsarana laharana faha 01-HCC/AR mirakitra ny valim-pifidianana ofisialy,

 

 

 izay natao ny 19 desambra 2018. Nahatratra 9 913 599 ny mpifidy voasoratra, ka ny 4 767 887 no tonga nifidy, izay manome taham-pandraisan’anjara 48.09%, ka 51.91 manome 5145712 no tsy nifidy. Nambaran’ny HCC, fa nandresy tamin’ny salan’isa 55.66% tamin’ny alalan’ny vato 2 586 938 i Andry Rajoelina, ary vato miisa 2 60 847, manome ny salan’isa 44.34% kosa no azon’ny kandida Marc Ravalomanana. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny voka-pifidianana ny fitoriana maro be noho ny heverina ho hosoka sy hala-bato, izay na tsy azo noraisina, na tsy mitombina no setriny. Ekena fa nandresy izany i Andry Rajoelina kanefa maro no resy lahatra fa filoha tsy marin-toerana izy ary ho sahirana amin’ny fitantanana ny firenena.Maro amin’ireo tetikasa nambarany fa hatao tahaka ny hoe karama farany ambany eto Madagasikara 200 000 ariary, Puce atao amin’ny omby, Drone hanenjehana dahalo, tanan-dehibe maro atao mitovy amin’ireo tanàna manana ny maha izy azy any ivelany, tsena moa sy vary mora, ny tetibolan’ny antenimierandoholona alefa any amin’ny fannanganana oniversite isam-paritra, fananganana tanàna goavam-be hamindrana ny biraom-panjakana, fanamboarana Autoroute…dimy taona ny fotoam-piasany, ary tena miandry ny fanatanterahana ireo asa ireo ny olona n any nifidy n any tsy nifidy azy.Etsy ankilan’izay koa anefa mipetraka ny fanontaniana : ho voafehiny ve ireo manodidina azy izay efa maro no toa misavoritaka amin’ny resa-tseza sahady? Ny valim-babena ho an’ireo nanome ny volany tamin’ny propagandy na vahiny na teratany tsy maintsy hatao, ka tena hahafehy firenena ve ny tenany sa ireny no ho eo amin’ny familiana. Fahefana feno izao no eo am-pelantanany ary maro no manasokajy azy ho olon’ny fahefana (homme de pouvoir), fa tsy olom-panjakana (homme d’Etat), ka mety ho sarotsarotra ho azy ny hifehy ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny tantara no hitsara fa ny hamisavisana ny ratsy tokoa angamba hihavian’ny soa e!

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana