Dans la mme rubrique

TIA VONINAHITRA

18/01/2019

Tia voninahitra loatra ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao. Na efa anio aza ny famindram-pahefana eo aminy sy ny filoha vaovao no hatao,

TIA VONINAHITRA

Hamaky ny tohiny...

BOLOKIM-BAZAHA

17/01/2019

Efa hita tokoa fa bolokim-bazaha ny filoha vaovao Andry Rajoelina na dia niezaka ny nanafina izany aza tamin'ny filazana fa tsy hiankina ara-bola amin'ny

BOLOKIM-BAZAHA

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra malagasy

17/01/2019

Mpianatra Malagasy monina any frantsa antsoina hoe Andotiana Randriamampianina, 23 taona, mirefy 1m58 no tsy hita popoka nanomboka ny 9 janoary teo. Mitaintaina fatratra mikasika ny momba azy ankehitriny ny raiamandreniny sy ny fianakaviany ary manao antsoavo amin’izay mahafantatra azy rehetra manerana izao tontolo izao mba hampandre rehefa misy vaovao.

Mpianatra malagasy

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

16/01/2019

Hanao izay ho afany ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay nampitaraina ny maro.

KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanonganam-panjakana

16/01/2019

Miezaka mivoy indray ankehitriny ireo haino aman-jery frantsay fa fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Tafakatra eo amin’ny fitondrana indray, hoy ny gazety Le Monde, ny mpanongam-panjakana mpanefoefo.

Resaka fanonganam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

FITSARAM-BAHOAKA

15/01/2019

Raha tsy tonga haingana ny polisy dia efa matin’ny fitsaram-bahoaka ny rangahy iray izay tompon’antoka tamin’ny heloka bevava.

FITSARAM-BAHOAKA

Hamaky ny tohiny...

Mampitaraina sahady

15/01/2019

Mampitaraina sahady ireo mpiara-miasa aminy ny minisitry ny mponina satria dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny

Mampitaraina sahady

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NITSABAKA NY FRANTSAY

28/12/2018

Tsy nivoaka akory ny vokatra ofisialy avy amin’ny CENI omaly dia efa nandeha tamin’ny onjam-peon’ny Radio France Internationale (RFI) izany.

 

 

 

 Gaga ny mpihaino vaovao teto an-toerana satria misy tsy fahamatorana izany avy ao amin’ny vondrona tsy miankina amin’ny fikarakarana fifidianana. Manarak’izay, ny mpanao gazety malagasy dia nanaja ny tsy famoahana ny vokatra na dia efa nananan’ireo ihany ary ny ambavongangony. Tsy midika ho fitsabahan’ny Frantsay indray ve ity tsy fanajàna ny lamina napetraka ity ?


NODYAN-TANINDRAZANA IREO MPANAO TRAFIKA

 

Vao tsy mipetraka amin’ny toerany akory Rajoelina dia efa tafaverina eto an-tanindrazana avokoa ireo olobe amin’ny fanondranana hazo sarobidy. Izy ireo anefa dia efa namoahana didy fampisamborana sy fikarohana eraky ny nosy. Ny hany herin’ireo mpandroba harem-pirenena dia ny nitsoaka an’i Madagasikara. Saingy izao dia efa eto daholo indray ireo ary fantatra ny nampiditra azy teto an-tanindrazana. 

VOAROBA NY FIANGONANA

 

Nanjavona avokoa ny fitaovana fitendrena mozika ary koa ny fanamafisam-peo teo anivon’ny Fjkm Ambodin’Isotry. Nandritry ny hain-trano goavana izay niseho teny an-toerana ka nahamay ny trano maherin’ny dimampolo. Nandritra izany no  nanararaotan’ireo olon-dratsy namoahana ny fitaovana tao amin’ilay Fiangonana. Tsy kely lalana ny ratsy ary tsy mifidy ny toerana izay hatao lasibatra intsony noho ny halatra izay toa lasa kolontsaina ankehitriny. 

MPIVADY VOATIFITRA

 

Raikitra koa ny tifitifitra amin’ny andro antoandro tao Fenoarivo Atsinanana. Mpivady izay hamonjy fodiana no nisy nitifitra. Ilay ramatoa no voan’ny bala ka naratra mafy. Ilay raim-pianakaviana kosa niharan’ny daroka isan-karazany ary tsy nahatsiaro tena intsony. Samy miady amin’ny fahafatesana izy roa ankehitriny noho ny nafitsok’ireo olon-dratsy izay tsy tena mbola voafaritra mazava ny tena tanjony. 

 

 

 

 



FANAFIHAN-JIOLAHY ENY ALASORA

 

Mitohy hatrany ny fandrahonan’ny jiolahy ny mponin’Alasora. Mametaka afisy mihitsy izy ireo ary mampitandrina ny vahoaka mba hiala ao an-toerana satria hanafika miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy. Nisy fotoana dia nisy tranga toy izany teny Ambohimangakely ary rehefa nandeha ny fanadihadiana dia olona somary marary saina no tompon’antoka ka nosamborina tao am-piangonana. Asa anefa raha toy izay koa ity eny Alasora ity. 

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

 

Ny lozam-pifamoivoizana no trangam-piarahamonina betsaka nisy indrindra nandritry ny fetin’ny noely teo. Nahatratra enina izany saingy mba tsy niteraka fahafatesan’olona. Olona niady an-dalambe koa no betsaka nosamborin’ny polisy, ankoatr’ireo mpanendaka. Polisy an’arivony no nahetsika teto an-drenivohitra ary betsaka tamin’izy ireo no nampanaovina fanamiana sivily ka mba nampilamindamina ny tanàna.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana