Dans la mme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Randriamamiarizafy Ignace Nisalotra ny diplaoma « Doctorat en Géographie » omaly

28/12/2018

Taorianan’ny fanohanana ny vokatry ny fikarohana nataony voarakitra anaty boky misy 240 pejy, teny amin’ny Alsh « Domaine Arts Lettres et Sciences Humaines », teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly alakamisy 27 desambra 2018,

 

 no nanambaran’ireo vondron’ny mpitsara niisa 6 notarihan’ny Pr  James Ravalison ny fahazoana ny marim-pahaizana « Doctorat en Géographie avec mention très honorable » an’Atoa Randriamamiarizafy Ignace. « La territorialisation des Tic pour le désenclavement régional à Madagascar Cas d’Alaotra Mangoro » no lohatenin’ny asam-pikarohana nataony tamin’izany.  Raha adika tsotra amin’ny fiteny Malagasy izy io dia milaza hoe : fampiharana sy fampiasana ny teknolojian’ny fifandraisana sy fampitam-baovao ho fialana amin’ny fitokana-monin’ny faritra iray ka teto dia ny Faritra Alaotra Mangoro no nofidiany nanaovana izany. Ny fikarohana nataoko, hoy i Randriamamiarizafy Ignace, dia nahafantarana fa azo atao ny manafoana ny tany lavitra Andriana amin’ny alalan’ny teknolojiam-pifandraisana, azo ato tsara ihany koa ny mampifandray faritra maro aminy sy ny mampivoatra ny tontolo ara-toekarena sy ara-tsosialy isam-paritra avy aminy. Ny  zava-misy anefa, hoy izy, dia ny sehatra tsy miankina no tena mampiasa azy io eto Madagasikara fa ny fanjakana Malagasy ohatra ny mitazam-potsiny.  Voaporofo tamin’ny fanadihadiana natao ihany koa, hoy ihany ity Dokotera vaovao ity, na eo aza ny fisian’ny fotodrafitrasa matanjaka ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, dia tsy manana tranokalam-pifandraisana (Site Web sy Mail) ny sampan-draharaha ary  ny rantsamangaikan’ny kaominina ao aminy. Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojiam-pifandraisana dia sarotra ny ahazoana vokatra tsara sy maharitra,  hoy izy, raha tsy manana anjara amin’ny fanapariahana ny teknolojiam-pifandraisana ny vondrombahoakam-paritra.

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana