Dans la męme rubrique

Mba tsy ho toky fitaka anie …

17/01/2019

Ny olom-banona tsy vonona Ny olom-bonona tsy vanona Mila olomanga ny firenena Mba hitantana ireo harena.

Mba tsy ho toky fitaka anie …

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Lamasinina haingam-pandeha marina

16/01/2019

Dia ahoana Jean a ? Inona no malaza any aminareo any e ? Tena miaiky koa aho amin’ny maha lamasinina haingam-pandeha anareo a !

Taratasin’i Jean Lamasinina haingam-pandeha marina

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’I Jean Oui mse!!

14/01/2019

Inona moa izany ry Jean fa dia mbola hitohy lava be indray ny Oui mse koa ! Ary tena miha mahery vaika ilay izy a ! Mbola ho zakanao ihany ve ?

Taratasin’I Jean Oui mse!!

Hamaky ny tohiny...

Mifandrombaka sahady

12/01/2019

Taitra be aho ry Jean nahita ilay filaharana kodiarana maromaro mitovy loha teo am-piasanao omaly iny an ! Tonga ny tramway, hoy aho.

Mifandrombaka sahady

Hamaky ny tohiny...

Eny ary koa !

09/01/2019

Eny ary ry Jean fa dia arahabaina ianareo koa ! Lany tao anaty mangarahara be sy fikarakarana tsy nisy tomika, hono, ianareo ka dia arahabaina ee !

Eny ary koa !

Hamaky ny tohiny...

Mamay be io aa…

07/01/2019

Hay dia efa nanomboka ny arĂ´zazy ianareo ry jean kely a.Mazava ny resaka fa dia tena efa azonareo antoka fa matinareo ny baolina.

Mamay be io aa…

Hamaky ny tohiny...

NY MARINA NO AMPANDRESENA

05/01/2019

Matahotra ve ny mpitsara Ny hamoaka ny vokatra marina , Ka dia kandidĂ n`ny mapara No amboarina fa hoe hakarina ?

NY MARINA NO AMPANDRESENA

Hamaky ny tohiny...


Taratasy hoan'i jean

Tsy mitaintaina be ve isika izao e ?

28/12/2018

Dia ahoana ry Jean kely aa! Hitako tena tsy nahazo aina mihitsy ianao omaly iny an! Ahoana moa ny akama no terenao ho tonga any nefa efa fantatrao izao fa tsy ankatoaviny iny revy omaly iny? Koa raha tsy azonao ajabaka daholo ary ity olona rehetra ity ry Jean kely aa!

 

Efa kopy amin’ny fikanao hatramin’izay daholo anie ny rehetra ee! Tsy hisy ho azonao amin’izany intsony. Tsy mitaintaina be ve isika izao? Tena tsy nampoizinao hoe sahy tsy hitontona teny ilay bandy nifaninana taminao an! Ianao irery izao ry Jean no tratran’ny ohatra an’iny hoe mba eto an-tanàna ihany ny mpifaninana kanefa dia tsy nanotrona sy tsy niarahaba anao akory. Dia tsy menatra ve ianao ry Jean amin’izao oaiaka be izao aa? Na tsy mamaly aza ianao dia efa kopy aho ee! Saingy tsy maintsy miala oainina moa oo!! Tena mbola samy boay kely hoy aho isika no mifampikozy fa tsy hoe mifananatra akory. Mety tsy ho avy aminao anie ireny tranga ireny fa avy amin’ny ekipa ee! Ny heloka hibabohana, hono, mody rariny ry Jean kely ka mandiniha tena ihany aloha aa…

Marco

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana