Dans la mme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Hoavin’ny tontolo iainana eto Madagasikara Mitaky fandraisan’andraikitra haingana be

28/12/2018

Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina ny ministeran’ny tontolo iainana omaly alakamisy 27 desambra entina hankatoavana ilay tatitra momba ny hoavin’ny tontolo iainana eto Madagasikara.

 

 Atrikasa efa fanao isaky ny 5 taona entina hanaovana tatitra momban’ny tranga misy sy ny antontan’isa mahakasika ny tontolo iainana. Nisy ny atotan-kevitra navoaka izay misy hevi-dehibe 15 nanazavana ny votoatiny alohan’ny hankatovana sy ny hanaparitahana azy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny eto Madagasikara. Ireo Antontan-kevitra ireo no entina handraisana fanapahan-kevitra ho an’ny tompon’andraikitra sy ireo manam-pahaizana amin’ny tontolo iainana isan-tsokajiny. Anisan’ny voaresaka tao ohatra ny fifamatoran’ny toekarena sy ny tontolo iainana, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny toetry ny tany sy ny ranomasina ary ireo karazam-pako misy eto Madagasikara. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2012 no nisy tatitra farany ka antony nanaovan’ny ministeran’ny tontolo iainana izao ezaka izao mha hitarafana ny fiatraikan’ny fahapotehan’ny tontolo iainana amin’ny toekarena. Ny mampiavaka ity tatitra ity ihany koa dia tena fanandratana tanteraka ny maha izy azy ny faritra tsirairay izay hiaingan’ny  famakafakana sy ny asa ary ny fandraisan’andraikitra avy hatrany entina hitsinjovana sy hikajiana ary hikoloana ny tontolo iainana mba hananan’ny taranaka fara-mandimby tombony sy ho avy mamiratra ny amin’io sehatra izay efa tena mihapotika isan’andro io.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana