Dans la męme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Kraoma Malagasy Tafapetraka ihany ny tale jeneraly vaovao

28/12/2018

Tontosa tsy nisy fifanatrehan`ny mpiasan`ny orinasam-panjakana Kraoma sy ny solotenany ny fifamindram-pahefana teo amin`ny tale jeneraly teo aloha, Terji Rakotondrazafy, sy Jaobarison Randrianarivony, izay tale jeneraly vaovao.

 

 

Tokony tamin`ny 8 ora maraina no nanatanterahina ny fifanaovana famindram-pahefana teo amin`ny tale roa tonta saingy tsy nanaiky izany fifamindram-pahefana izany ireo mpiasa ka nitokona teo amin`ny varavaran`ny orinasa tetsy Ampefiloha ary nidin`izy ireo hatramin`ny trano mihitsy ka ireo tale no nanao famindram-pahefana no niditra tao anatin`ny birao. Adin-iray mahery taty aoriana dia nisy fifampiresahana teo amin`ny roa tonta. Araka ny nambaran`i Mario Ralimanana, solotenan`ny mpiasa, dia tao anatin`ny telo volana, niova filohan`ny filankevi-pitantanana (PCA) ny orinasa, ary niova in-telo ny tale jeneraly.  Hanaovana an-keriny ny hanaovana famindram-pahefana, hoy izy, ary ahiana hamotika ny Kraomita. Teboka maro no takian`ireto mpiasa ankehitriny ary tafiditra amin`izany ny fanoherana ny fanovana ny mpitantana ny  orinasa. Niroso tamin`ny famindram-pahefana ihany taty aoriana ka nandritra ny lahateniny, nilaza i Jaobarison Randrianarivony, tale jeneraly vaovao eo anivon`ny Kraoma fa hisy ny fifampiresahana amin`ny ankolafy rehetra itadiavana vahaolana. Tsy mbola naneho ny heviny amin`izay hanohizana ny fifanaraha-miasa amin`ny rosianina kosa ny tenany. Io teboka io, no izay takian`ny mpiasa mba tsy hirosona aminy. Nohamafisin`ny tale jeneraly teo aloha, Terji Rakotondrazafy, ihany koa fa mila jerena akaiky io fifanarahana io. Marihana fa efa nandritra ny iray volana lasa no nanatanteraka fitokonana ny orinasam-panjakana ity ary nanamafy ireo mpiasa hiamafy ny fitokonana raha tsy mazava ny momba ny fitakiana indrindra ny fanafoanana ny fifanaraha-miasa amin`ny rosiana.

ao

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana