Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana filoha Ravalomanana no mpandresy…

28/12/2018

Mipoitra ny porofo samihafa mampiseho ny hosoka sy halatra nokotrehin-dRajoelina ny hahazoana fahefana. Raha lalao madio sy tsy nisy halatra io, mazava ny lalan’i Marc Ravalomanana hahazo indray ny toeran’ny filoham-pirenena rehefa nosomparana tamin’ny taona 2009.

 

 Voatery miditra amin’ny fitakiana ny rariny sy ny hitsiny ary ny famoahana ny tena safidim-bahoaka isika noho ny halatra sy hosoka samihafa. Ampahatsiahivina hatrany fa 693 291 ny fitambaran’ny mpifidy voasoratra anarana ho an’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana, ary Ihorombe tamin’ny 2013 saingy lasa 1. 019. 439 tamin’ity, izany hoe nitombo na nampitomboina 326 148. Tany Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Ihorombe,… no tena nahitana endrika halatra mibaribary, toy ny hoe: tonga 100% ny mpifidy na mihiotra aza ny taham-pahavitrihana ary misy 100% ihany koa ny taham-pandresen-dRajoelina. Ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana aza nampitomboina be mitaha amin’ny tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny faritra maro.  Ny fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana manginy fotsiny, ary efa ireny niaraha-nahita ireny ny fijoroana vavolombelon’ny lehibena distrika milaza fa nomena baiko hanery ireo eo ambany fifehezany hampandany an-dRajoelina. Azo heverina hahazo ny laharana voalohany vonjimaika ve Rajoelina raha tena tsy misy hosoka ny fifidianana sy ny valim-pifidianana tany Atsimo niampy ny hosoka tamina faritra maro ?  Raha tena nadio iny fifidianana iny, raha tsy nisy ny fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana dia tsy misy adihevitra fa efa lany i Marc Ravalomanana, ary na io voka-pifidianana niainga tamin’ny hosoka io aza tsy mitombina, ka inoan’ny rehetra fa ho azo tsy ho ela ny fandresena am-pahamarinana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana