Dans la mme rubrique

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

18/01/2019

Mafana ny adihevitra any anatin’ny zandarimariam-pirenena momba ny firafitry ny governemanta vaovao raha ny feo re.

SEG eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany Tsy mahafaly ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

18/01/2019

Manoloana ny famindram-pahefana anio eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha vaovao, Andry Rajoelina, nilaza ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao fa tsy tombontsoa ambonin`ny firenena ny fambolena korontana.

Rivo Rakotovao Nitokana ny toby miaramila RFI Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

18/01/2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana

Hamaky ny tohiny...

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

18/01/2019

Vokatry ny tsy fitandremana noho ny baikon’ny mpiampiasa azy ireo dia nipoaka sy nirehitra ny sambo “Nosy Mangabe” izay miantsona miandry entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11ora atoandro.

Sambo nirehitra Mpiasa iray maty…

Hamaky ny tohiny...

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

18/01/2019

Mbola manakoako sy mitohy hatrany ankehitriny ny fanjakazakana sy fanaparam-pahefana ataon'ilay teratany karana malaza ho mpanefoefo ao Toamasina ao.

Lycée Jacques Rabemananjara ao Toamasina Hanamparan'ilay karana mpanefoefo ny maha izy azy

Hamaky ny tohiny...

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

16/01/2019

Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.

Tontolon`ny Fitsarana Maniry ny fitohizan`ny fanatsarana natao ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

16/01/2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Haino aman-jery sahy milaza ny marina Hatao fahirano raha lany Rajoelina ?

28/12/2018

Ampanantsoina eny amin’ny Commissariat Central de La Ville d’Antananarivo eny Tsaralalana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ireo gazety vokarin’ny RLM Commmunication anio amin’ny 9 ora maraina.

 

 

Re fa fitorian’i Andry Rajoelina no antony. Ny lahatsoratra mifandray amin’ny fanambarana mikasika ny fisian’ny antso avy amin’ny polisy ara-toekarena Frantsay  momba fahazoan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha harena tamin’ny fomba tsy mazava no voambara fa fototr’ilay fiantsoana . Omaly moa ny minisitry ny serasera teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, izay mpandrindra ankapobeny ao amin’ny RLM Communication dia nilaza tamin’ny fandaharana Miara-mampita niraisan’ny haino aman-jery maro fa mahalala tsara sy manana ny dosie momba izany izay efa ho 100 pejy mahery. Karazana don-tandroka sahady ve izao fa raha toa mahazo fahefana eo Rajoelina dia hatao fahirano izay tsy mitovy hevitra sy manelingeina azy ? Toe-javatra hafahafa ihany koa ny niseho tamin’ny fahitalavi-panjakana omaly. Rakotra an-dRajoelina sy ny ekipany ny sehatra tamin’ny fanehoan-kevitra taorian’ny fanambaran’ny CENI ny valim-pifidianana. Ny fahitalavitra TVM ve dia tsy mba nanam-piniavana na dia kely akory amin'ny anaran'ny fahaiza-manao mba naka fanehoan-kevitra na “reaction” avy amin’ny K25 na ilay kandida na ireo manodidina azy manoloana ireny kabary nataon'ny Filohan’ny CENI omaly ireny ? Tsy nahoany izany, ka tsy hay na efa tsy azo alefa ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana (interdit d'antenne) i Marc Ravalomanana kanefa samy mbola kandida izao. Efa mandeha sahady ve ny don-tandroka ary ho avy ny fahirano raha lany eo izy ?

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana