Dans la męme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana tsy ara-drariny Miandry izay hevitry ny FFKM ny rehetra

28/12/2018

Mitebiteby fatratra ny vahoaka ary raha izao no mitohy, ahiana hikorontana ny samy Malagasy ka fotoana hiantsoana ny raiamandreny am-panahy toy ny FFKM ny vanim-potoana toy izao, hoy ny resaky ny olom-pirenena etsy sy eroa.

 

 

 Samy zanaky ny FFKM ireo kandidà nifanandrina tamin`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Manana andraikitra goavana izy ireo, indrindra amin`izao hanjakan`ny tsy ara-dalàna izao. Maro ny mihevitra fa tokony hijoro sy hampiantso ireo kandidà roa tonta ireto raiamandreny am-panahy ireto amin`ny fandrindrana ny mpomba ny tsirairay mba hitazonana ny firaisankinam-pirenena fa tsy hisian`ny fizarazarana. Tokony hiantso ny mpitondra fanjakana, ny mpitandro ny filaminana, indrindra ny CENI izay tompon’andraikitra amin`ny fanatanterahana fifidianana ny FFKM. Antony, ireo tompon’andraikitra ireo dia tokony hamela ny olona hitady ny fahamarinana saingy tsy ao anatin`ny fitanilana. Ny fanekena voka-pifidianana mantsy dia miankina amin`ny fomba fiasa mangarahara sy ara-dalàna ataon`ireo rafitra mpikirakira fifidianana toy ny amin`ny vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tsy hisy fitoniana raha amin`ny tsy ara-dalàna ka manana andraikitra goavana ireo raiamandreny am-panahy toy ny FFKM sy ny CFM izay napetraka mba hitandro ny fandaminana sy fitoniana eto amin`ny firenena. Tokony hiantso fitoniana sy fifandraisan-tanana mba hanaiky voka-pifidianana raha toa ka ara-dalàna ny FFKM.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana