Dans la mme rubrique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

18/01/2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy

Hamaky ny tohiny...

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

18/01/2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

18/01/2019

Tsy vita akory ny fianianana sy fandraisan’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny toerana maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny voalazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia tsikaritra fa mihena ny taham-pankafizan’ny olona azy.

Andry Rajoelina Mihena sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

18/01/2019

Maro ny lalana nodiavn’ny firenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny nanomboka ny 2009-2010.

Fifidianana sy fiainam-pirenena Izay tompon’ny vola no mibaiko

Hamaky ny tohiny...

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

17/01/2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR

Hamaky ny tohiny...

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

17/01/2019

Mbola maro ny asa miandry ny komitin’ny fampihavanana Malagasy ao anatin’ny 4 taona, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona.

Gerard Ramamimampionona « Lasa tia mifanindry sy samy maka ho azy isika. »

Hamaky ny tohiny...

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

17/01/2019

Notsipahan’ny parlemanta ilay fifanarahana momba ny fisintahan’i Grande Bretagne amin’ny vondrona eoropeanina.

Politika, toekarena, sosialy Mikorontana izao tontolo izao

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hentitra ny K25 « Tena niandany tamin-dRajoelina ny CENI »

28/12/2018

Tontosany ny di-dohan’ny CENI namoaka ny valim-pifidianana na mbola manana hatramin’ny 1 janoary 2019 aza izy ireo, raha ny lalàna arahina.

 

 Ny 48, 09% izany hoe mpifidy 4.767.697 tamin’ny mpifidy voasoratra anarana 9.913.599 no ambara fa nandatsa-bato.  47 146 ny vato fotsy ary vato maty kosa ny 78.465. Nahatratra 4.648.086 ny vato manan-kery, ka 2.587.035 (55.66%) no ambara fa azon’ny kandida faha-13, raha 2.061.051 (44.34%) ny any an’ny lah 25. Aoka hatsahatra ny fanenjehana ny CENI, hoy ny filohany Hery Rakotomanana, izay niezaka mafy nanadio tena sy tsy te hiaiky ny lesoka, kanefa tsy takona nafenina ny petatoko sy toe-javatra mampiahiahy maro. Tsy itokisanay ny vokatra navoakan’ny CENI satria tsy mahaleo tena io fa nitongilana, hoy ny valin-kafatry ny K25.  Nipetrapetraka ny tetika maloto nentina nampandresena an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana teo ary nandray anjara lehibe tao ny CENI, hoy ny fanambarana natao teny amin’ny Foiben-toerana teny Bel’Air omaly takariva. Nibaribary ny fiandaniana satria tsy noraharahiana ny fangatahan’ny K25 dia ny tokony hanajan’io rafitra io ny fe-potoana voafaritry ny lalàna amin’ny famoahana ny voka-pifidianana izay tsy tapitra akory fa nihazakazahana ny famoahana ny vokatra kanefa nisy ny fangatahan’ny K25 ny fampiatoana izany aloha eo anatrehan’ny fitrandrahana sy ny fitadiavan’izy ireo ny mangarahara saingy  natao ihany ilay izy, hoy ny talen’ny Fampielezan-kevitra Tsehenoarisoa Rabenja. Tsy mifanaraka ny lalàna ny fisian’ny bileta tokana izay “numéro de series” eo amin’ny “souches” ihany fa tsy nasiana ny bileta. Nilaza ny CENI fa hiarovana ny tsiambaratelon’ny mpifidy sy ny latsa-bato. Tsy mila manao fandikana sy hampihatra araka ny fomba fijeriny fa zavatra tsy maintsy tanterahina ny voalazan’ny andininy faha-120 amin’ny làlana fehizoro momba ny fifidianana, izay milaza fa tsy maintsy asiana “numéro de séries”, raha ny ambaran’ny K25. Fanamorana ny hala-bato natao tamin’ny 13 no nataon’ny CENI tsy nanao an’io, ary nanampy tamin’ny hosoka faobe, hoy hatrany ny Talen’ny fampielezan-kevitra sy ireo mpahay lalàna ao anatin’ny Legal team. Nipetrapetraka ny halatra, toy ny hoe: ny delegen’ny kandida 25 dia tsy navela niditra tao amin’ny SRMV raha tsy adiny roa na telo taty aoriana tamina toerana maro, raha ny fanazavana.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana