Dans la mme rubrique

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

15/01/2019

Ny sabotsy takariva dia nihaona manokana i Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, saingy tsy nisy nipika ny resaka. Mandeha ny fanangonan-tsonia amin’izao eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny mbola hamerenana an’Atoa Ntsay Christian ho praiminisitra.

Ntsay Christian ho Praiminisitra Tsy levon’ny vavonin’ny MAPAR sasany…

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

15/01/2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

15/01/2019

Fomba fanao amin’ny fitadiavan-tseza sy fahefana ary toerana ao anaty fanjakana ny resa-poko sy fiaviana.

Fitadiavan-tseza sy fahefana Raikitra ny resa-poko sy fiaviana

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

15/01/2019

Goavana ny asa miandry ny filoham-pirenena vaovao. Fanamby sy velirano ao anatin’ny fandaharan’asa ny filoham-pirenena vaovao ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ny dimy taona.

Fitantanana ny firenena Sarotra ny mitondra ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

15/01/2019

Mitohivakana ny fanehoan-kevitra mikasika ny fahazoan’ny malagasy filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson.

Vinan’i Andry Rajoelina Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka, hoy ny ABA

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

15/01/2019

Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.

Marc Ravalomanana Maro ny adidy mbola miandry azy

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

15/01/2019

Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.

Arlette Ramaroson « Manana ny heviny Andriamanitra. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fikirakirana ny voka-pifidianana Misy fanodinkodinana avo lenta efa maty paika ?

22/12/2018

Zavatra ahiana hitranga amin’izao fanangonana sy fikirakirana ny voka-pifidianana izao raha ny nambarana manampahaizana momba ny informatika iray ny hoe eo amin’ilay fampidirina ny vokatra ao anaty

 

 

 

 

 

solosaina mihitsy no efa misy rindran-kajy hafahafa natao hanome vahana kandida iray. Ahoana moa no mety hitrangan’izany ? Rehefa ampidirina ny isam-bato araka ny isany tao anatin’ny vata fandatsaham-bato dia mizara ho an’ny kandida A sy ny kandida B ; eo ihany koa ny hoe vato fotsy sy vato maty. Eo amin’izay no manomboka mipoitra ny ahiahy satria raha nisy nihevitra ny hangala-bato dia efa misy ny antsoina hoe :  « valeur cible » napetraka dieny tany am-boalohany. Rehefa mandeha ny fampidirana ireo vokatra isan’andro dia manaparitaka ireo vato ireo araka izay baiko efa nomena azy amin’ny antsoina hoe : « fonctions existantes » ilay milina manao ny kajy. Amin’izao fifidianana izao dia miisa 2 ireo « fonctions existantes » fototra dia ny kandida laharana faha-13 sy ny kandida laharana faha-25. Mbola nisy koa anefa ireo « fonctions » hafa dia ny vato fotsy (Blancs) sy vato maty (Nuls) izay marihina fa raha nitambatra tamin’ny fihodinana voalohany izany hoe « Blancs et Nuls » dia nosarahana ary nalefa tsirairay kosa amin’izao fanangonam-bokatra fihodinana faharoa ity. Antony nampisarahana azy ireo, raha araka ny filazan’ny manampahaizana amin’ny informatika dia ny mba tsy hampibaribary ny fanodinkodinana vato (manipulation des voix) izay mety atao. Fa any amin’ny farany anefa dia efa misy ilay « valeur cible » henjehina izay kendrena hampandresy ilay kandida iray. “Ny ahiahy tsy hihavanana”, hoy ny Malagasy. Efa nisy ny fitsirihana natao tamin’ny rindram-baiko ampiasain’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mialoha ny fihodinana faharoa, saingy tsy fahadisoana kosa angamba raha misy fitsirihana na fanamarinana hafa mbola atao satria maro ny ahiahy amin’ny hala-bato sy ny hosoka ary efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy an’io ny avy ao amin’ny ekipan’ny kandida Marc Ravalomanana.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana