Dans la mme rubrique

Ramaroson Jean Michel Tsy nahatratra firotsahana ho kandidan’ny COM

18/01/2019

Ny alatsinainy 14 janoary teo vao tafaverina teto an-tanindrazana Atoa Ramaroson Jean Michel filohan’ny Federasion’ny Basikety Baolina Malagasy am-perinasa noho ny iraka nataony tany ivelany ka tsy nahatratra ny fe-potoana farany nametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho filohan’ny COM

Ramaroson Jean Michel Tsy nahatratra firotsahana ho kandidan’ny COM

Hamaky ny tohiny...

Tenisy Tompondakan’i Afrique Australe U 14 sy U 16 Amboara 10 no voandalana azon’ny solontena Malagasy

17/01/2019

Nifarana ny talata 15 janoary teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika tapany atsimo sokajy U 14 lahy sy vavy sy U 16 lahy sy vavy notontosaina tany Wondhoek any Namibie nanomboka ny 7 janoary 2019 lasa teo.

Tenisy Tompondakan’i Afrique Australe U 14 sy U 16 Amboara 10 no voandalana azon’ny solontena Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra Analamanga Ligue 1 Lavon’ny Elgeco Plus teo an-kianjany ny Uscafoot

15/01/2019

Tontosa ny alahady 13 janoary 2019 teo tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny andro faha-2 tsy vita tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga ligue 1 eo amin’ny taranja baolina kitra.

Baolina kitra Analamanga Ligue 1 Lavon’ny Elgeco Plus teo an-kianjany ny Uscafoot

Hamaky ny tohiny...

Basket Afroleague 2019 Iray vondrona amin’ireo kalaza ny Cospn Madagasikara

15/01/2019

Vita tany Abidjan Côte d’Ivoire tamin’ny sabotsy 12 janoary takariva teo ny antsapaka amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka isaky ny Zône na ny Afroleague 2019 eo amin’ny taranja basket izay nantsoina hatrizay hoe :

Basket Afroleague 2019 Iray vondrona amin’ireo kalaza ny Cospn Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana Resin’ny Import Sport 3-2M ny 3Fb Toliara

15/01/2019

Tontosa ny alahady 13 janoary tao amin’ny kianjan’Andaboly Toliara ny andro faha-3 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitran’Atsimo Andrefana 2018/2019 sokajy D–1.

Ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana Resin’ny Import Sport 3-2M ny 3Fb Toliara

Hamaky ny tohiny...

« Basket Tournoi U 10 sy Super-Vétérans » Analamanga Mahavelombolo ireo taninketsan’ity taranja ity

14/01/2019

Mahavelombolo raha ny zava-nisy hita teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano omaly alahady 13 janoary 2019 no asian-teny mikasika ny hoavin’ny taranja basikety baolina.

« Basket Tournoi U 10 sy Super-Vétérans » Analamanga Mahavelombolo ireo taninketsan’ity taranja ity

Hamaky ny tohiny...

Ligin’ny baolina kitra any V7V - seksiona Manakara Nanomboka ny sabotsy teo fiadiana ny ho tompondaka

14/01/2019

Hanomboka amin’ny zoma 15 febroary 2019 ka hifarana amin’ny alarobia 27 febroary 2019 ny fifaninanana baolina kitra fiadiana ny ho tompondakan’ny ligy rejionalin’i V7V handraisan’ny seksiona 4 anjara dia Antsevolo,Vohipeno, Fanadiana ary Manakara.

Ligin’ny baolina kitra any V7V - seksiona Manakara Nanomboka ny sabotsy teo fiadiana ny ho tompondaka

Hamaky ny tohiny...


Sport

Rababany Christophe Kick Boxing Voaasa teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina

18/12/2018

Na dia mbola amin’ny alalan’irony “Fauteil roulant” irony aza ankehitriny no hivezivezen-dRababay Michel Christophe, ilay kalazan’ny taranja kick boxing Malagasy izay efa nibata ny anaram-boninahitra tompondaka lefitra eran-tany tamin’ny taona 2005 ary efa tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana im-betsaka,

 

  dia nasain’ny Federasiona Malagasin’ity taranja maminy ity izy ny faran’ny herinandro teo hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja kick boxing notontosaina ny 14,15 ary 16 desambra teo tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary dia mbola nanana anjara fiakarana teo ambony sehatra mihitsy nanao “demonstration” kely amin’ny fampikotranana boaikely hampianarina an’ity kick boxing ity. “Tsy mandry ny sain’ny tena, hoy izy, raha vao mandre fifaninanana kick boxing tahaka izao ary dia izao voaasan’ny Federasiona hanatrika ety izao.  Raha ny fahasalamako no asian-teny, hoy izy, dia efa afa-mihetsika ny tapany ambony amin’ny tenako fa ny ratsambatako  ambany no tsy afaka fa mbola ao anatin’ilay aretina “paraplégietanteraka taorian’ilay lozam-pifamoivoizana tamin’ny taona 2015 nahazo ahy ka mbola tohizana hatrany ny fitsaboana efa nimasoana ary dia efa tena mianto-tena tanteraka amin’ny fisahanana an’izany samirery izaho sy ny ankohonako ankehitriny. Tazana  tsy nitsahatra nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny federasiona am-perinasa Rababany Christophe  teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ary azo inoana fa torohevitra manodidina ny fikarakarana an’ity taranja no nomeny tamin’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana